Ny Vokatry ny Tenintsika

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Milaza mazava ny Baiboly fa tsy misy toerana anelanelany; na manaiky an'i Kristy isika, na mandà Azy. Manana ny herin'ny fiainana sy ny fahafatesana ny tenintsika, ary izany no mamaritra amin'ny farany ny fanamarinana antsika eo anatrehan'ny Ray.
Ny Baiboly manontolo dia mampiseho fa ny tenintsika no mamaritra ny anjarantsika. Araka ny vakintsika ao amin’ny Ohabolana 18:21:
"Ny mahafaty sy ny mahavelona samy hain'ny lela, koa izay manarana azy dia hihinana ny vokany."
Ny lela dia hamokatra fahafatesana eo amin'ny fiainantsika, raha manao fieken- diso isika, na fiainana, raha manao fiekena marina isika. Na inona na inona lazaintsika amin'ny lelantsika, dia hihinana ny vokatra aterak'izany isika. Izany fahamarinana izany dia nanakoako tamin’ny tenin’i Jesosy rehefa nilaza Izy hoe:
"Ary lazaiko aminareo fa hampamoahina ny olona amin’ny andro fitsarana noho ny amin’ny teny foana rehetra izay ataony. Fa ny teninao no hanamarinana anao, ary ny teninao no hanamelohana anao.” (Matio 12:36–37)
Matetika ny Kristiana no milaza zavatra adaladala tsy manome voninahitra an’Andriamanitra, ary avy eo dia miala tsiny amin’ny filazana hoe: “Tsy tena niniako izany.” Fa hoy Jesosy: "Ny teny foana rehetra." Tsy fialan-tsiny ny filazana fa tsy tena ninianao ilay zavatra. Tsy maintsy mihazona mafy ny fiekentsika.
Amin'ny farany, tsy misy afa-tsy safidy roa ihany ny fifandraisantsika amin'i Kristy sy ny Soratra Masina: ny miaiky na ny mandà. Hoy indray, Jesosy:
“Ary amin’izany na zovy na zovy no hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona, dia hekeko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko Izay any an-danitra. Fa na zovy na zovy no handà Ahy eo anatrehan’ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko Izay any an-danitra.” (Matio 10:32–33)
Ireo no safidy roa nomena antsika. Tsy misy safidy fahatelo. Amin'ny zavatra ara-panahy, amin'ny farany, dia tsy misy ny tsy fiandaniana. Hoy i Jesosy: “Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy.” (Matio 12:30). Na isika manao fiekena marina ho amin’ny famonjena, na manao fieken-diso, izay tsy hitondra famonjena.
Prayer Response
Misaotra Anao, Jesosy ô, fa Ianao no Mpisoronabe izay nekenay. Manambara aho fa miaiky eo anatrehan’ny olona fa i Jesosy no Tompoko, ary Izy kosa manaiky ahy eo anatrehan’ny Raintsika izay any an-danitra. Hihazona mafy ny fiekeko aho, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-300-MLG










