Tafiditra ao anatin’ny ady lehibe iray ny Kristiana, izay hita eran’ izao rehetra izao, hatrany an-danitra ka hatraty an-tany. Ny ady dia eo amin’Andriamanitra sy ny herin’ny tsara etsy an-daniny, ary i Satana sy ny herin’ny ratsy etsy an-kilany. Ny devoly dia arkanjely izay, noho ny avonavona, dia nitarika ny anjeliny hikomy tamin’Andriamanitra ary nanangana fanjakana ho mpifanandrina. Asehon’ny Soratra Masina ho toy ny dragona, bibilava, mpamono olona, mpandainga ary mpangalatra izy. Manohitra an’Andriamanitra sy ny fikasan’Andriamanitra ary ny vahoakan’Andriamanitra i Satana, ary amin’ny fanoherany antsika dia manana tanjona telo izy: hangalatra, hamono ary handringana.

Soa ihany fa ny vaovao tsaran'ny filazantsara dia ny nahafatesan'i Jesosy teo amin'ny hazo fijaliana. Nandresy an'i Satana ho antsika tamin'ny fomba roa voalohany Izy. Voalohany, nataony izay ahafahantsika mahazo famelan-keloka ny amin’ny lasa. Faharoa, nataony izay ahafahantsika mandray ny fahamarinan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana tsy mila mitandrina ny lalàna. Tamin’izany fomba izany no nesorin’i Jesosy tamin’i Satana ny fiadiany lehibe indrindra hamelezana antsika, dia ny heloka.

Fiadiana ara-panahy

Nametraka fiadiana ara-panahy teo an-tànantsika koa i Jesosy, izay ahafahantsika mitantana ny fandreseny an'i Satana. Vakintsika ny ao amin’ny 2 Korintiana 10:4-5:

“Fa tsy avy amin’ny nofo ny fiadian’ny tafikay [tsy ara-batana na ara-nofo], fa mahery amin’Andriamanitra handrava fiarovana mafy.”

Ny fitaovam-piadiantsika ara-panahy nomen’Andriamanitra dia mahery araka an’Andriamanitra—adika ara-bakiteny hoe “mahery amin’ny alalan’Andriamanitra” izy ireo. Rehefa mampiasa ireny fitaovam-piadiana nomen’Andriamanitra antsika ireny isika, amin’ny finoana sy amin’ny fiankinana Aminy, dia ny herin’Andriamanitra tenany mihitsy no azontsika ampiasaina.

Tsy tokony ho eo amin’ny fiarovan-tena foana isika eo amin'ny ady ataontsika amin'ny fahavalo, ka hanontany tena hoe aiza indray no hamely antsika amin'ny manaraka i Satana, fa tokony hiroso amin'ny fanafihana ny fiarovany isika mba handrava azy ireo amin'ny fiadiantsika ara-panahy. Tsy tokony hijanona ho tsy mihetsika isika. Mety hieritreritra isika hoe: “Tena malemy aho; tena tsy mendrika aho. Ahoana no ahafahako miady?” Ny devoly anefa no mametraka ireo teny ireo ao an-tsaintsika. Amin'ny lafiny iray, dia malemy isika. Henoy anefa ireto tenin’i Paoly ireto ao amin’ny 1 Korintiana 1:27–28:

“Fa ny adala amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny mahery; ary ny iva razana amin'izao tontolo izao sy izay fanevateva no nofidin'Andriamanitra, dia ny atao ho tsy misy aza, mba hahafoana ny misy.”

Tamin’ny fahendreny tsy manam-petra, Andriamanitra dia nifidy olona malemy sy tsy mendrika toa antsika mba handrava “ny zavatra izay an’ny” fanjakan’i Satana. Ny fahatokiantsika dia tsy ao amin'ny tenantsika, fa amin'ny fiadiantsika.

Inona no fiadiana ara-panahy ananantsika? Ny andalan-teny iray milazalaza azy ireo dia ny Apokalypsy 12:10–11, izay manaraka avy hatrany ilay andalana milazalaza an’i Satana ho ilay dragona sy menarana:

“Dia nahare feo mahery tany an-danitra aho nanao hoe: Ankehitriny dia tonga ny famonjena sy ny hery sy ny fanjakan'Andriamanitsika, ary ny fahefan'ny Kristiny, satria nazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika. Dia ilay miampanga azy eo anatrehan'Andriamanitsika andro aman'alina. Ary izy ireo naharesy azy noho ny amin'ny ran'ny Zanak'ondry sy ny teny filazana Azy, ary tsy nankamamy ny ainy intsony izy, na dia ho faty aza.”

Ny fanambarana manan-danja eto dia izao: "Nandresy azy izy ireo." Mariho ny fifandirana mivantana ataon'ny mpino amin'ny fahavalo. Ny ran'ny Zanak'ondry sy ny teny filazana Azy no fiadiany tamin'ny ady. Fanampin'izany, dia nanolo-tena tanteraka tamin'ny ady izy ireo, hatramin'ny fahafatesana mihitsy aza.

Adikako amin’ny fomba tsotra sy azo ampiharina io andinin-teny io: mandresy an’i Satana isika rehefa mijoro ho vavolombelona manokana ny amin’izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra fa ataon’ny ran’i Jesosy ho antsika. Rehefa mampiasa ireo fiadiana telo mitambatra ireo isika—ny ran’i Jesosy, ny Tenin’Andriamanitra ary ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika manokana—dia mampahomby azy ireo isika. Mba hanaovana izany araka ny tokony ho izy anefa dia tsy maintsy mahafantatra izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra momba ny ran’i Jesosy isika.

Ny Zanak’ondrin’ny Paska

Ao amin’ny 1 Petera 1:18–19 isika dia mamaky hoe:

“Fa fantatrareo fa tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy volamena, no nanavotana anareo tamin’ny fitondrantena adala, izay azonareo tamin’ny nentin-drazana, fa ny ra soan’i Kristy, toy ny ran’ny zanak’ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina.”

Eto dia ampitahaina amin'ny zanak'ondrin’ny Paska i Jesosy.

Teo ambanin'ny fanekena taloha, ny ran'ny zanak'ondrin'ny Paska dia nampiharina tamin'ny tranon'ny Isiraelita. Novonoin’ny rain’ny fianakaviana tsirairay ny zanak’ondrin’ny Paska, nangonina tao anaty koveta ny ra ary nafindra avy tao amin’ny koveta ho any an-tranony niaraka tamin’ny fitaovana tsotra—amboara-na hysopa kely iray. Natsobony tao anaty ra ilay hysopa ary nafafiny tao an-tranony avy eo. Tena nilaina àry ny hysopa, satria tsy nisy fiarovana ny ra tavela tao anaty koveta. Fa ny ra napetraka tao an-trano tamin’ny alalan‘ny fampiasana ny hysopa no niaro ny fianakaviana.

Ny hysopantsika dia ny fijoroantsika ho vavolombelona. Rehefa mijoro ho vavolombelona momba izay lazain’ny Baiboly fa ataon’ny ran’i Jesosy isika, dia toy ny maka ny ra avy tao amin’ny koveta ka nafafy teo amin’ny toerana mila izany, dia ny toerana onenantsika.

Fanavotana sy famelan-keloka

Ao amin’ny Efesiana 1:7 i Paoly dia milaza hoe: Izy [Jesosy] no ananantsika fanavotana amin’ny rany, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren’ny fahasoavany. I Paoly eto dia milaza zavatra roa izay nomen’ny ran’i Jesosy ho antsika: ny fanavotana sy ny famelan-keloka. Mba hampahomby ireo fepetra ireo eo amin’ny fiainantsika anefa, dia tsy maintsy manao ny fijoroana ho vavolombelona mifanaraka amin’izany isika. Izao no hafatra ao amin’ny Salamo 107:2:

“Aoka hanao izany ny navotan'i Jehovah, Dia izay navotany ho afaka tamin'ny tànan'ny fahavalo.”

Tsy maintsy manambara amim-pahasahiana isika hoe: “Voavotra amin’ny tànan’ny fahavalo aho” —izany hoe avy amin’i Satana.

Ny hoe manavotra dia midika hoe “mividy indray”. Mpanota isika taloha, naseho tao amin’ny tsenan’ny andevon’i Satana ho amidy. Niditra tao amin’ny tsenan’ny andevon’i Satana anefa i Jesosy ary nividy antsika tamin’ny rany sarobidy teny an-tànan’ny devoly. Io fanavotana amin’ny fahavalo io dia mifototra amin’ny famelana ny fahotantsika. Mba ampahomby ny fanavotana sy ny famelan’i Kristy eo amin’ny fiainantsika, dia tsy maintsy mampiasa ny fijoroantsika ho vavolombelona manokana isika, manao hoe: “Amin’ny alalan’ny ran’i Jesosy dia voavela ny fahotako rehetra. Amin’ny alalan’i ran’i Jesosy no nanavotana ahy tamin’ny tànan’i Satana.” Izany fijoroana ho vavolombelona izany, rehefa ataontsika amin’ny molotsika manokana izany, dia toy ny hysopa. Mamindra ny herin’ny ran’i Jesosy avy amin’ny tontolon’ny mety azo atao nefa mbola tsy natao ho amin’ny fiainantsika andavanandro izany.

Manadio

Ny fanomezana lehibe iray hafa amin'ny ran'i Jesosy dia ny fanadiovana amin'ny ota. Io fanomezana ho amin’ny fanadiovana amin’ny ota io dia voalaza ao amin’ny 1 Jaona 1:7:

“Fa raha mandeha eo amin’ny mazava isika, tahaka Azy eo amin’ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra.”

Raha mandeha eo amin'ny mazava isika, dia ny fiombonana no vokatra voalohany, ary ny vokatra faharoa dia ny diovina amin’ny ran’i Jesosy isika.

Ireto matoanteny telo rehetra ireto—mandeha, manana fiombonana, diovina—dia miseho amin'ny fotoana ankehitriny mitohy. Tsy indray mandeha monja no mitranga ireo; tsy maintsy mitohy hatrany izy ireo. Tsy maintsy mitohy mandeha ao amin’ny mazava hatrany isika mba hitohizan’ny fiombonana amin’ny hafa ary ny ran’i Jesosy hitohy hanadio antsika.

Na dia mety mitaky ny fanadiovana amin’ny ran'i Jesosy aza isika, nefa tsy mahafeno ny fepetra, dia tsy ho voadio tokoa isika. Ny ran’i Jesosy dia tsy manadio ao amin’ny maizina, fa rehefa mandeha eo amin’ny mazava isika. Ny fizahan-toetra voalohany ny amin'ny fandehanantsika ao amin'ny mazava, dia rehefa manana fiombonana amin’ny hafa isika. Raha tsy mifaly amin’ny fiombonana amin’ny mpiray finoana sy ny Tompo isika, dia tsy ao amin’ny mazava. Ary raha tsy ao amin’ny mazava isika, dia tsy manadio antsika ny ran’i Jesosy.

Ny fanontaniana manaraka àry dia ny fomba fandehanantsika ao amin'ny mazava. Ny fepetra voalohany dia ny tsy maintsy andehanantsika amin’ny fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra. Hoy ny Salamo 119:105: “Fanilon'ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao.” Ny fitakiana faharoa dia ny tsy maintsy ananantsika fiombonana amin’ny hafa.

Fintinin’ i Paoly ao amin'ny Efesiana 4:15 nilazany hoe:

“Fa mba hanaraka ny marina amin’ny fitiavana ka hitombo amin’ny zavatra rehetra ho amin’Izay Loha, dia Kristy.”

Ao amin'ity andalan-teny ity, ny fandehanana eo amin'ny mazava dia faritana hoe mifandray amin'ny mpiray finoana amintsika amin'ny fahamarinana sy amin'ny fitiavana. Tokony ho vonona ny hanao ny marina isika eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny hafa, fa tsy maintsy manao izany amim-pitiavana.

Ny fandehanana ao amin’ny mazava dia misy asa roa atambatra: mandeha amin’ny fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra, ary mandeha amin’ny fahamarinana sy ny fitiavana miaraka amin’ireo mpiray finoana amintsika. Rehefa mahafeno ireo fepetra ireo isika dia afaka milaza amim-pahatokiana tanteraka fa ny ran’i Jesosy dia manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra.

Ankehitriny isika dia tena mahatsapa ny fahalotoan'ny habakabaka manodidina antsika. Kanefa ny rivo-piainana ara-panahy manodidina antsika koa dia voaloton’ny fahotana, ny kolikoly ary ny tsy araka an’Andriamanitra. Mba hadio foana isika dia mila ny fanadiovana mitohy amin’ny ran’i Jesosy.

Rehefa azo antoka fa mahafeno ny fepetra amin'ny fanadiovana isika, dia afaka manao ny fiaiken-keloka mifanaraka amin'izany. Tokony ho toy izao ny fijoroantsika ho vavolombelona: “Rehefa mandeha eo amin’ny mazava aho, dia ny ran’i Jesosy no manadio ahy ho afaka amin’ny ota rehetra amin’izao sy tsy tapaka.” Raha mino izany isika dia hanomboka hisaotra an’Andriamanitra. Ary rehefa misaotra Azy isika dia hahatsapa ho madio ary madio amin’ny fomba vaovao.

Fanamarinana

Ny fanomezana fanampiny momba ny ran'i Jesosy dia ny fanamarinana. Hazavaina tsara izany ao amin’ny Romana 5:8–9:

“Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy. Koa mainka aza ny hamonjeny antsika ho afaka amin’ny fahatezerana ankehitriny, rehefa nohamarinina tamin’ny rany isika.”

Ny fehezanteny fototra dia “hamarinin’ny rany”. Ny manamarina sy ny fanamarinana dia teny fototra ao amin'ny Testamenta Vaovao. Ny hoe manamarina raha ny marina dia midika hoe “manao ho marina, manafaka amin’ny ota, mihazona tsy hanan-tsiny. “Ny famaritana tsara indrindra momba ny fanamarinana izay efa reko hatrizay dia izao: Amin’ny alalan’ny ran’i Jesosy, nohamarinina aho—“toy ny hoe tsy nanota mihitsy aho”. Ahoana no ilazantsika izany? Koa satria nohamarinina tamin’ny ran’i Jesosy isika, dia mandray ny fahamarinan’i Jesosy Kristy, fa tsy ny fahamarinantsika, ary tsy nanota mihitsy i Jesosy Kristy.

Hoy i Paoly ao amin'ny 2 Korintiana 5:21 :

“Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy kosa isika.”

Mariho ny fifanakalozana. Teo amin’ny hazo fijaliana, tonga ota i Jesosy niaraka tamin’ny fahotantsika, nizaka ny sazy sy ny fitsarana ny fahotantsika, ary nandoa ny vidim-panavotana feno tamin’ny nandatsahany ny rany. Tonga fahamarinan’Andriamanitra ao Aminy isika —tsy ny fahamarinantsika, na koa na inona na inona karazana fahamarinan’olombelona, fa ny tena fahamarinan’Andriamanitra tenany mihitsy. Andriamanitra dia tsy mbola nahalala ota. Tsy voaloton’ny ota mihitsy izy. Izany no fahamarinana raisintsika amin’ny alalan’ny finoana ao amin’ny ran’i Jesosy. Noho izany, amin’ny alalan’ny ran’i Jesosy, dia nohamarinina aho, nohamarinina tamin’ny fahamarinan’Andriamanitra. Lasa toy ny tsy nanota mihitsy aho.

Ity àry no valin’ny fiampangan’i Satana antsika. Nahoana izy no miampanga antsika? Satria tiany ho porofoina fa meloka isika. Noho izany, ny fijoroana vavolombelona voalohany izay mandresy ny fiampangan’i Satana dia izao: “Amin’ny alalan’ny ran’i Jesosy, nohamarinina aho, natao ho marina toy ny tsy nanota mihitsy”. Noho izany antony izany dia afaka mijoro eo anatrehan’Andriamanitra tsy misy henatra na tahotra aho, ary afaka mamaly an’i Satana amin’ny fahasahiana tanteraka hoe: “Satana, zava-poana ny miampanga Ahy, fa tsy amin’ny fahamarinako no ihaonako aminao. Mihaona aminao amin’ny fahamarinan’Andriamanitra tsy misy loto, tsy misy ota, tsy misy pentina aho.”

Fanamasinana

Ny fanomezana manaraka momba ny ran'i Jesosy dia ny fanamasinana. Ny hoe manamasina dia midika hoe “manao ho masina”, ary ny hoe manao ho masina dia midika hoe “manokana zavatra na olona iray ho an’Andriamanitra”. Ny olona masina dia olona voatokana ho an’Andriamanitra. Hoy ny Hebreo 13:12:

“Ary amin’izany Jesosy koa dia niaritra teny ivelan’ny vavahady mba hahamasina ny olona amin’ny rany.”

Raha lazaina amin'ny teny hafa dia nohomboana teo ivelan'ny tanàna Izy mba hanamasinana ny olona amin'ny rany.

Ny fampiasana ny ra ho fanamasinana dia mazava tamin’ny Paska. Ny ran’ny zanak’ondrin’ny Paska dia nanokana ny Isiraely ho an’Andriamanitra tamin’ny fomba manokana. Hita ao amin’ny Eksodosy 11:4–7 ny fikasan’Andriamanitra hanavaka ny Isiraelita:

“Ary hoy Mosesy: Izao no lazain'i Jehovah: ‘Rehefa tokony ho mamatonalina Izaho hivoaka hankeo afovoan'i Egypta, dia ho faty ny lahimatoa rehetra eto amin'ny tany Egypta, hatramin'ny matoan'i Farao izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianany ka hatramin'ny matoan'ny ankizivaviny izay eo anilan'ny fikosohambary, ary ny voalohan-teraky ny biby fiompy rehetra. Ary hisy fidradradradrana mafy eran'ny tany Egypta rehetra, izay tsy mbola nisy tahaka izany, sady tsy hisy tahaka izany intsony. Kanefa tsy hisy na dia alika aza hanetsika ny lela ny amin'ny Zanak'Isiraely rehetra, na amin'ny olona, na amin'ny biby,’ mba ho fantatrareo ny tsi-fampitovian'i Jehovah ny Egyptiana sy ny Isiraely.”

Ny Tompo dia nanavaka ny olony sy ny tsy olony. Fahatezerana sy fitsarana no nihatra tamin’ireo izay tsy olon’Andriamanitra, fa ny vahoakan’Andriamanitra kosa dia voaaro tanteraka na hisy alika aza hivovo aminy. Ny fototry ny fanavahana sy izany fisarahana izany, dia ny ran’ny zanak’ondrin’ny Paska. Nohamasinina na natokana ho an’Andriamanitra ny tokantrano rehetra nisy ra teo ivelany. Tsy nisy hery ratsy afaka niditra tao amin’io trano io satria ny Tompo dia nanavaka ny olony sy ireo izay tsy olony. Ny ran'ny zanak'ondry nampiharina no nampiavaka azy.

Toy ny nampiharantsika ny fanomezana hafa momban’ny ran’i Jesosy tamin’ny fijoroana vavolombelona mety, dia azontsika atao ny mampihatra ny fanomezana momba ny fanamasinana amin’ireto teny ireto: “Amin’ny alalan’ny ran’i Jesosy, nohamasinina aho, natao ho masina, natokana hoan’Andriamanitra. Tsy manana toerana ato anatiko ny devoly, tsy manana fahefana amiko, tsy misy fisalasalana hanohitra ahy. Ny ran’i Jesosy no nandaminana ny zava-drehetra.”

Fitalahoana tsy tapaka

Misy fanomezana sarobidy iray hafa nataon’ny ran’i Jesosy ho antsika, izay tsy fantatry ny Kristiana maro. Hoy ny Hebreo 12:22, 24:

“Fa hianareo [tena mpino rehetra] kosa efa mby eo an-tendrombohitra Ziona, tanànan’Andriamanitra velona, amin’ny ra famafazana, izay miteny tsara lavitra noho ny an’i Abela.”

Tao amin’ny Tendrombohitra Ziona any an-danitra, ny ran’i Jesosy dia nafafy tao amin’ny Masina Indrindra, teo anatrehan’Andriamanitra, ho antsika. Niditra tao ho mpialoha làlana antsika Izy, rehefa nahazo ny fanavotana mandrakizay tamin’ny alalan’ny sorona nataony, ary namafy ny porofon’izany fanavotana izany teo anatrehan’Andriamanitra Ray Tsitoha indrindra Izy.

Tokony hahatsikaritra fifanoherana lehibe isika eto. Teo am-piandohan’ny tantara dia namono an’i Abela rahalahiny i Kaina. Niezaka nanala ny andraikitra izy avy eo, fa ny Tompo dia nanohitra an’i Kaina ka nanao hoe: “Tsy misy azo afenina ny helokao, fa ny ran’ny rahalahinao izay nalatsakao tambonin’ny tany dia mitaraina amiko hamaly faty”. (Jereo Genesisy 4:10). Mifanohitra amin’izany, ny ran’i Jesosy nafafy tany an-danitra dia niantsoantso, tsy noho ny famaliana, fa ny famindram-po. Ny ra dia fitalahoana tsy tapaka eo anatrehan'Andriamanitra mba hamindra fo.

Raha vao mijoro ho vavolombelona manokana ny amin’ny herin’ny ran’i Jesosy isika, dia tsy mila mamerina ireo teny ireo isaky ny minitra vitsy, satria ny ran’i Jesosy dia miteny mandrakariva ho antsika eo anatrehan’Andriamanitra. Isaky ny sahiran-tsaina, alaim-panahy, matahotra na mitebiteby isika, dia tokony hampahatsiahy ny tenantsika hoe: “Ny ran’i Jesosy no miteny eo anatrehan’Andriamanitra ho ahy ankehitriny.”

Eo amin'ny ady ataontsika amin'i Satana dia tsy maintsy mihetsika amim-pinoana isika mba hanafika. Nomen'i Jesosy antsika ny fitaovam-piadian'ny rany, ny Teny ary ny fijoroantsika ho vavolombelona, ary ny fijoroantsika ho vavolombelona manokana no fanalahidin'ny fampiasana ireo fiadiana roa hafa.

Ny ran'i Jesosy dia natao fanomezana ho fanavotana, famelan-keloka, fanadiovana, fanamarinana, fanamasinana ary fifonana ho antsika. Mba ho fijoroana vavolombelona manokana ny amin’izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra momba ny ran’i Jesosy, dia afaka mampihatra ireo fanomezana ireo eo amin’ny fiainantsika isika. Amin’izany fomba izany dia esorina amin’i Satana ny fiadiany voalohany amelezana antsika dia ny heloka ary afaka miaina ao anatin’ny fandresen’i Kristy efa vita hatry ny ela teo amin’ny hazo fijaliana isika.

15
anjara