Mamela ny Fanahy Masina Hitarika

Teaching Legacy Letter
*First Published: 2002
*Last Updated: February 2026
14 min read
Nampianatra momba ny Fanahy Masina aho nandritra ny taona maro nanompoako. Efa niainako fa ny fahatakarana tsara kokoa ny Fanahy Masina dia afaka manampy antsika hahomby kokoa ho an’ny Fanjakan’Andriamanitra. Ny Fanahy Masina no manohy ny asa fanompoan’i Jesosy eo amin’ny fiainantsika.
Ny asa fanompoana lehibe iray ataon'ny Fanahy Masina dia ny ho Mpitarika antsika. Nirahin’Andriamanitra Ray Izy hitarika antsika amin’ny fiainana. Hoy i Jesosy ao amin’ny Jaona 16:13a:
"Fa raha tonga ny Fanahin'ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dàlana anareo ho amin'ny marina rehetra;"
Ao amin’ny Romana 8:14, i Paoly dia manazava ny fomba ahafahantsika miaina amin’ny maha-zanak’Andriamanitra antsika: izany dia amin’ny alalan’ny fitarihan’ny Fanahy Masina.
"Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra."
Ny fotoana ampiasaina eto dia amin’ny endrika ankehitriny mitohy: Izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra tsy tapaka dia zanak'Andriamanitra. Ny teny hoe zanaka eto dia miresaka fahamatorana. Tsy ho an'ny zazakely izany, fa ho an'ny zanaka lahy efa lehibe. Mba ahatongavana ho zanak’Andriamanitra dia tsy maintsy ateraky ny Fanahin’ Andriamanitra indray isika. Asehon’i Jesosy mazava tsara izany ao amin’ny Jaona toko faha-3. Fa rehefa ateraka indray isika, mba hihalehibe sy ho matotra ary ho tanteraka, dia mila tarihin’ny Fanahy Masina tsy tapaka.
Ny tena mampalahelo dia maro amin'ireo Kristiana nateraka indray no tsy tena tarihin'ny Fanahy Masina mihintsy. Vokatr'izany dia tsy mahatratra ny fahamatorana velively izy ireo. Tsy lasa Kristiana tanteraka araka ny fikasan’Andriamanitra mihitsy izy ireo. Izany no antony maha-zava-dehibe ny fiatrehana io lohahèvitra momba ny fitarihan'ny Fanahy Masina io.
Mahatratra ny Fahamarinana
Ny Baiboly dia miresaka fomba roa ahafahana manatratra ny fahamarinana eo anatrehan'Andriamanitra: ny lalàna sy ny fahasoavana—ary tsy misy afa-tsy izy ireo. Raha mikatsaka ny hanatratra ny fahamarinana amin’ny alalan’ny lalàna ianao, dia tsy hahavita izany amin’ny alalan’ny fahasoavana. Ary raha mikatsaka ny hanatratra ny fahamarinana amin'ny fahasoavana ianao, dia tsy ho vitanao izany amin'ny fitandremana ny lalàna. Tena zava-dehibe ny hanamafisana izany, satria ny fahitako azy dia maro ny Kristiana miezaka mampifangaro ny lalàna sy ny fahasoavana.
Izy ireo dia mikatsaka ny hitoetra tsara eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny ampahany amin'ny lalàna ary amin'ny ampahany amin'ny fahasoavana. Ny tena marina dia tsy tena azon'izy ireo na ny fahasoavana na ny lalàna.
Ny lalàna dia fitsipika tsy maintsy tandremanao. Raha mitandrina ny fitsipika rehetra ianao—amin'ny fotoana rehetra—dia hahatratra ny fahamarinana. Ny fahasoavana kosa dia zavatra tsy azontsika vidina. Ny fahasoavana dia raisina avy amin’Andriamanitra, amin’ny fomba iray ihany araka ny voalaza ao amin’ny Efesiana 2:8a:
"Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana."
Izaho manokana dia mino fa Andriamanitra irery ihany no afaka mahafantatra ny fomba ahazoana ny fahamarinana amin'ny finoana. Mino aho fa ny olombelona araka ny nofo, navela ho an'ny tenany, dia tsy ho nieritreritra velively ny fomba hanatratrarana ny fahamarinana toy izany. Raha ny fahalalako tsara indrindra, ny fomba fivavahana lehibe hafa rehetra dia mitaky ny olona hanatratra ny fahamarinana amin'ny fanaovana zavatra. Samy manana ny fepetra takiana fomba fivavahana samihafa, kanefa, raha ny tena izy, dia samy mieritreritra toy izao izy rehetra: “Ho olo-marina aho raha manao ireto zavatra ireto ary tsy manao ireo zavatra ireo.”
Izany dia midika fa ny finoana Kristiana, raha azontsika tsara, dia miavaka tanteraka. Tsy misy fomba fivavahana hafa izay manandrana manolotra fahamarinana amin’ny alalan’ny fahasoavana azo amin’ny finoana irery ihany. Saingy, rehefa mandray ny fahasoavan' Andriamanitra ianao, dia manome hery anao Izy mba hiaina ho afaka amin'ny fifehezan'ny fahotana. Ao amin’ny Romana 6:14, i Paoly dia miresaka amin’ny olona izay nandray ny fahasoavan’Andriamanitra:
“Fa ny ota tsy hanan-kery aminareo; fa tsy mba ambanin’ny lalàna hianareo, fa ambanin’ny fahasoavana.”
Mariho fa tsy mitovy ireo roa ireo. Raha ambanin’ny lalàna ianareo, dia tsy ambanin’ny fahasoavana. Raha eo ambanin’ny fahasoavana ianareo, dia tsy ambanin’ny lalàna. Tsy afaka eo ambanin'ny roa tonta ianao.
Mariho koa fa i Paoly dia nilaza fa tsy hanan-kery aminareo ny ota satria tsy ambanin'ny lalàna ianareo. Ny dikany dia hoe raha eo ambanin'ny lalàna ianao, dia hanan-kery aminao ny ota. Raha mikatsaka ny hanatratra ny fahamarinana amin’ny fitandremana ny lalàna isika, dia tsy ho afa-mandositra ny ota mihitsy.
Andao hojerena indray ny Romana 8:14:
"Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak' Andriamanitra."
Moa ve isika miaina amin'ny maha-zanak'Andriamanitra antsika amin'ny fitandremana fitsipika? Tsia. Miaina amin'ny maha-zanak'Andriamanitra antsika isika amin'ny alalan'ny fitarihan'ny Fanahy Masina. Izany no hany fomba ahafahantsika miaina amin’ny maha-zanak’Andriamanitra matotra.
Andao hojerentsika izao ny Galatiana 5:18:
"Fa raha tarihin'ny Fanahy hianareo, dia tsy mba ambanin' ny lalàna."
Indray mandeha, mazava ny hafatra. Lasa zanak’Andriamanitra ianao amin’ny alalan’ny fitarihan’ny Fanahy. Ary raha tarihin’ny Fanahy ianareo, dia tsy ambanin’ny lalàna.
Ho an'ny maro mitonona ho Kristiana anefa, dia toy ny tehina ny fanarahana fitsipika maromaro. Mitongilana izy ireo ary manohana ny tenany amin'ny hazo. Hoy Andriamanitra: “Ario ny hazo, ka matokia Ahy!” Hitako fa mampatahotra ny olona ny matoky tanteraka ny fahasoavan’Andriamanitra. Isika rehetra dia te-hifikitra amin'ny fehezan-dalàna kely izay tandremantsika. Izany no tehintsika. Saingy tsy mandeha izany! Tsy maintsy miantehitra tanteraka amin’ny Fanahy Masina isika.
Ny lalàn'Andriamanitra ho amin'ny fahamarinana sy ny fahamasinana dia tsy amin'ny alalan'ny ady, fa amin'ny alalan'ny fanekena—ny fanekena ny Fanahy Masina. Tonga amin’ny fiafaran’ny ezaka ataonao ka miteny hoe: “Fanahy Masina ô, raiso ny fitantanana .Tsy zakako io toe-javatra io—fa vitanao izany!” Tsy midika akory izany fa tsy mila herim-po ianao. Midika izany fa mila mampiasa ny herim-ponao amin'ny fomba hafa ianao. Tsy maintsy mampiasa ny herim-ponao ianao tsy amin’ny fanaovana izany irery, fa hatoky ny Fanahy Masina.
Amin’ny toetrako, dia olona mahaleo tena sy matanja-saina aho. Isaky ny manana olana aho, ny fihetsiko voajanahary dia ny mitady vahaolana ho an'ny tenako. Nandany taona maro aho vao tonga teo amin'ny toerana tsy nanaovako an'izany intsony. Fa hoy aho ho solon’izany: “Tompo ô, inona no vahaolanao?” Matetika, ny vahaolana avy amin’Andriamanitra dia tsy mitovy amin’izay rehetra noeritreretiko. Ny fiainana Kristiana dia tsy fiainana miady, fa fiainana manaiky—ny Fanahy Masina ao anatintsika.
Ao amin’ny Romana toko faha-7, i Paoly dia mampiseho izany amin’ny alalan’ny ohatra iray avy amin’ny fanambadiana. Ny vokatry ny fiainanao dia tsy miankina amin'ny habetsahan'ny ezaka ataonao, fa amin'ny olona izay vadinao. Raha manambady amin’ny maha-nofo anao ianao, dia hiteraka ny asan’ny nofo. Fa raha—amin’ny alalan’ny Fanahy Masina—dia miray amin’i Kristy nitsangana tamin’ny maty ianao, amin’ny alalan’izany firaisana izany dia hamoa ny vokatry ny Fanahy.
Mitoetra mifandray fotsiny
Ao amin'ny Jaona 15:1-2a Jesosy dia mampitaha ny fifandraisantsika Aminy amin'ny voaloboka sy ny rantsany:
“Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboatra. Ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny”
Eo amin’ny andininy faha-4 sy faha-5, dia hoy i Jesosy tamin’ny mpianany:
“Tomoera amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, dia toy izany koa hianareo, raha tsy miray amiko. Izaho no voaloboka, hianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa hianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona.
Ny sampan'ny voaloboka dia tsy mamoa voaloboka amin'ny ezaka mafy. Tsy manapa-kevitra izy ireo ka manao hoe: “Hamoa voaloboka aho izao!” Mitondra voaloboka fotsiny izy ireo rehefa miray amin’ny vatankazo—ny foto-boaloboka. Ny aina izay ao amin’ny vatankazo ihany no mikoriana amin’ny sampany, ary ny aina ao amin’ny sampany dia mamoa voa tsara. Hoy Jesosy: “Izaho no voaloboka; ianareo no sampana. Raha mitoetra hifandray Amiko ianareo—miaraka Amiko—dia hamoa be.”
Jesosy dia nanohy niresaka momba ny fanetezam-boaloboka. Rehefa manapaka voaloboka ny mpamboly voaloboka, dia tsy mifaditrovana izy. Tapatapahiny hiala amin’ny tahony ny sampana. Hihevitra ianao fa tsy hamoa intsony ny voaloboka. Saingy ny taona manaraka dia mamokatra kokoa noho ny teo aloha.
Ny sasany amin'ireo ady mampahory indrindra dia mety ho vokatry ny famoazana. Amin'izao fotoana izao dia mety handrantsana anao ny Ray. Aza mijanona! Aza manao hoe: "Ahoana no nahatonga izany amiko?" Maneke tsotra izao! Aoka hitolo-batana any amin'ny mpamboly voaloboka.
Tafiditra ao anatin'izany dingana famokarana izany ny tsangan’aina telo an'Andriamanitra. Ny Ray no mpamboly voaloboka. Jesosy no voaloboka. Ary ny Fanahy Masina no fiainana izay mikoriana amin’ny voaloboka sy amin’ny sampany. Ny Fanahy Masina no tena mamokatra ny voa. Tsy vokatry ny ezaka tsara indrindra ataontsika izany. Tsy vokatry ny fomba fivavahana izany. Izany dia vokatry ny Fanahy Masina.
Sarintany sa Mpitari-dàlana?
Mamelà ahy hizara fanoharana kely aminareo mba hampazava izany. Mizara izany avy amin'ny fahatsapako manokana aho. Fantatro ny atao hoe miady mafy mba hampifaliana an’Andriamanitra amin’ny ezaka ataoko manokana. Niezaka ny ho “mpivavaka” kokoa aho indraindray. Tena kivy anefa aho. Tsy hitako izay hatao! Nianarako anefa fa anisan’ny dingana iray ihany no mahatonga ny diantsika miaraka amin’i Jesosy ho velona.
Ity fanoharana ity dia mikasika ny sarintany sy ny mpitari-dàlana: Aoka hatao hoe any amin'ny toerana iray ianao ka mila mitady ny làlana mankany amin'ny toerana lavitra amin'ny firenena izay mbola tsy nodiavinao. Omen'Andriamanitra safidy roa ianao. Afaka manana sarintany ianao, na manana mpitari-dàlana manokana.
Mahery ianao. Kinga ianao. Mahatoky tena ianao. Hoy Andriamanitra aminao: "Inona no tadiavinao, ny sarintany sa ny mpitari-dàlana?" Mamaly ianao hoe: “Mahay mamaky sarintany aho. Horaisiko ny sarintany.” Noho ny fahafantaranao ny làlana tokony aleha, dia nidina ny làlana ianao. Mibaliaka ny masoandro, mihira ny vorona ary mahatsiaro faly ianao. Hoy ianao anakampo: “Mora ity! Tsotra be izany!”
Telo andro teo ho eo taty aoriana, dia ao anatin'ny ala mikitroka ianao. Sasak'alina izao. Avy ny orana. Sarotra! Ankoatra izany, eo amoron'ny hantsana ianao. Tsy fantatrao na mianavaratra, na mianatsimo, na miantsinanana, na miankandrefana. Saingy misy feo malefaka manao hoe: “Afaka manampy anao hitarika anao ve aho?” Ary mamaly ianao hoe: “O, mila anao aho! Mila anao aho!" Hoy ilay Mpitari-dàlana: “Atolory ahy ny tànanao dia hanafaka anao amin’izany aho.” Rehefa afaka kelikely, dia mivoaka eny an-dàlana indray ianao sy ny Mpitarika anao ary mandeha mifanila.
Dia tonga saina ianao hoe: “Tena adala aho fa nikoropaka tao anaty ala. Afaka nanao izany samirery aho.” Dia mitodika ianao hanazava izany amin'ny Mpitarika anao, ary tsy ao intsony ny Mpitarika! Nahozongozonao ny sorokao ary niteny hoe: “Eny, vitako samirery izany”, dia lasa indray ianao.
Teo amin'ny roa andro aty aoriana, dia eo afovoan'ny honahona ianao ary milentika lalindalina kokoa isaky ny dingana izay ataonao. Tsy fantatrao izay tokony hatao! Mieritreritra anakampo ianao hoe: “Tsy afaka mangataka fanampiana intsony aho. Tamin'ny fotoana farany azoko dia tsy nanao ny nety aho."
Amin'izao fotoana izao dia gaga ianao fa mbola eo anilanao indray ilay Mpitarika. Hoy izy: “Avelao aho hanampy anao”, dia miaraka indray ianareo.
Amin'izao fotoana izao, tadidinao ny sarintany mbola ao am-paosinao. Noho izany dia alainao izany ary atolotrao amin’ny Mpitari-dàlana manao hoe: “Mety ho tianao ity.” Hoy anefa ilay Mpitarika: “Misaotra, fantatro ny làlana, tsy mila ny sarintany aho.” Dia hoy izy: “Raha ny marina, izaho no nanao ny sarintany.”
Ny sarintany, mazava ho azy, no làlana. Lavorary izany. Marina tokoa ny antsipirihany rehetra. Ny singa tsirairay ao amin'ny jeografia dia voamarika tsara. Anjaranao ny manapa-kevitra hoe: “Tsy handray ny sarintany aho. Hatoky ny Mpitarika ahy aho.”
Iza no Mpitarika manokana? Ny Fanahy Masina, mazava ho azy!
Impiry moa no tokony hitrangan'izany? Impiry isika no hiverina amin'ny fitokiana ny fahendrentsika sy ny fahakingantsika ary amin'izany fomba izany no anilihana ny Fanahy Masina?
Ny Ampakarina Izay Natoky ny Mpitarika Azy
Ny Genesisy 24 dia fitantarana mazava ny fomba nahazoan'i Abrahama vady ho an'i Isaka zanany. Naniraka ny mpanompony niverina tany amin’ny tanin’i Mezopotamia izy mba hitady tovovavy iray avy amin’ny taranany manokana, izay—araka ny kolontsaina tamin’izany—dia tena notakiana.
Ity tantara ity dia fanoharana naseho teo amin'ny tantara. Abrahama dia tandindon’Andriamanitra Ray. Isaka dia tandindon’i Jesosy Kristy Zanaka. Ny ampakarina voafidy (izay Rebeka no anarany) dia tandindon'ny fiangonana. Avy eo dia misy mpilalao fototra iray hafa tsy fantatra anarana: ny mpanompo. Ny mpanompo dia tandindon’ny Fanahy Masina. Ny Genesisy 24 dia mirakitra ny sarin'ny Fanahy Masina. Toetra mampiavaka ny hoe tsy manonona anarana akory Izy. Tsy misarika ny saina ho amin’ny tenany mihitsy ny Fanahy Masina fa miasa mandrakariva hanome voninahitra ny Ray sy ny Zanaka.
Dia niainga ilay mpanompo, nitondra rameva folo nitondra fanomezana samy hafa, ka nihevitra izy fa hifidy vady. Any Afovoany Atsinanana, isaky ny manao safidy manan-danja ianao ary manorina fifandraisana dia manome fanomezana foana ianao. Raha raisina ny fanomezanao, dia ianao amin’ny maha olona no raisina. Raha lavina ny fanomezanao, dia holavina koa ianao. Ity dia ampahany tena manan-danja amin'ny fananganana fifandraisana.
Rehefa nipetraka tany amin'ny ampahan’ny faritra eto amin’ity izao tontolo izao ity aho, dia afaka milaza aminareo aho fa ny rameva dia mahazaka entana be dia be—ary ilay mpanompo dia nandeha niaraka tamin'ny rameva tsy latsaky ny folo! Tonga teo amin’ny toerana nampisotroan’izy ireo ny andiam-biby izy, dia nivavaka hoe: “Hangataka ny iray amin’ireo tovovavy ireo aho hantsaka rano ho ahy. Aoka izay vehivavy voafidy hanao hoe: ‘Hanovo rano ho anao sy ny ramevanao aho.’” (Tsarovy fa ny rameva dia afaka misotro rano 160 litatra eo ho eo. Koa manolo-tena hantsaka rano hatramin'ny 1600 litatra eo ho eo izany ilay vehivavy voafidy.)
Dia tonga Rebeka, ka hoy ilay mpanompo: Omeo rano aho hosotroiko. Namaly i Rebeka hoe: “Eny tokoa! Ary hantsaka ho an’ny ramevanao koa aho. Dia hoy ilay mpanompo anakampony hoe: “Ity no zazavavy!” Mamelà ahy hanampy fa i Rebeka dia lamin’ny finoana sy ny asa. Mitaky asa be ny hantsaka rano ho an’ny rameva folo.
Dia naka vatosoa tsara tarehy ilay mpanompo ka nametraka izany teo amin'ny handrin'i Rebeka. Rehefa manaiky ilay vatosoa izy, dia manamarika azy ho vady voatendry izany. Inona no ho nitranga raha nandà an’ilay vatosoa i Rebeka? Tsy ho lasa ampakarina mihitsy izy! Inona no azontsika lazaina momba ny fiangonana izay mandà ny fanomezana ny Fanahy Masina? Tsy misy marika mampiavaka ny ampakarina!
Tsy nanana sarintany mihitsy i Rebeka. Mbola tsy tonga tany amin’izay nitondran’ilay mpitari-dàlana azy mihitsy izy. Mbola tsy hitany mihitsy na ilay lehilahy hovadiny na ny rainy. Saingy nanana mpitari-dàlana izy, izay nahafantatra ny làlana! Nahafantatra ny rainy sy ny zanany koa ka afaka nanome azy ny mombamomba izay rehetra anontaniany izy.
Toy izany koa izaho sy ianao. Tsy afaka manao izany amin'ny sarintany isika, fa tsy maintsy manana Mpitarika. Amin’izao fiainana izao dia mety tsy hahita ny Ray na ny Zanaka na ny toerana alehantsika na oviana na oviana isika. Fa raha avelantsika hitarika antsika ny Fanahy Masina, dia hasehony antsika ny làlana. Izy koa no ho loharanom-pahalalana ho antsika momba ny Ray sy ny Zanaka.
Makà fotoana anio hisaorana an'Andriamanitra noho ny Fanahiny Masina!
fehezan-dalàna: TL-L035-100-MLG