Manomboka ao an-tranon’ Andriamanitra ny fitsarana

Derek Prince
*First Published: 1993
*Last Updated: December 2025
8 min read
Amin'ny maha-Kristiana Amerikana antsika dia miatrika zava-misy mampalahelo sy tsy azo lavina isika: efa eo ambany fitsaran'Andriamanitra ny firenentsika. Noho izany dia misy antony maro, saingy azo fintinina amin’ny teny tsotra iray: Efa nanao ny ota izay nanilihana an ‘i Esao isika, ka nanamavo ny fizokiantsika (Hebreo 12:15-17).
Noferako ho amin'ny zava-misy any Etazonia io famakafakana io. Ny ankamaroan’ny zavatra lazaiko anefa dia mihatra amin’ny firenena hafa izay mpandova ny lova Jiosy-Kristiana sy ny fiangonana maneran-tany. Andriamanitra anie hanampy antsika tsirairay hanaiky ny andraikitsika manokana!
Mitsara antsika araka ny ohatry ny fahazavana noraisintsika Andriamanitra. Nilaza tamin’ny Jiosy tamin’ny androny i Jesosy fa ho mafy kokoa noho ny an’i Sodoma sy Gomora ny fitsarana azy ireo, satria nahazo fanambarana lehibe kokoa momba ny fahamarinana izy ireo (Matio 11:20-24).
Toy izany koa ny any Amerika amin'izao taonjato izao. Tsy nisy firenena hafa nanana fahafahana izay mitovy amin’ny Tenin’Andriamanitra nomena ny vahoaka Amerikana. Tamin’ny alalan’ny kolon-tsaina sy ny fomban-drazana, tamin’ny alalan’ny fiangonana sy ny evanjelistra, tamin’ny alalan’ny fampielezam-peo sy ny fahitalavitra, ary tamin’ny alalan’ny teny voasoratra, dia nahazo fitahiana mihoatra noho ny firenena hafa rehetra i Amerika noho ny fahalalana ny fahamarinan’Andriamanitra. Ho henjana ny didim-pitsarana ny amin’ny fandavana izany. Kristiana maro no tsy mahatsapa fa ny fitsaran’Andriamanitra dia tsy manomboka amin’ny olon’izao tontolo izao, fa amin’ny olon’Andriamanitra. Nilaza tamin’ny Kristiana tamin’ny androny i Petera hoe:
“Fa raha sitrapon’Andriamanitra, dia tsaratsara kokoa ny hitondra fahoriana amin’ny fanaovan-tsoa noho ny amin’ny fanaovan-dratsy.” (1 Petera 4:17)
Ireo teny ireo dia mihatra amin'ny fiangonana any Amerika ankehitriny. Amin'ireo fahotana rehetra mety hiampangana ny fiangonana ankehitriny, dia ampy ny mifantoka amin'ny anankiroa: ny fieremana sy ny marimaritra iraisana. Ao amin’ny Lioka 17:26-30 i Jesosy dia nanambara mialoha fa ny fotoana mialoha ny fiverenany dia ho tahaka ny andron’i Noa sy Lota. Noresahiny manokana ireo asa valo mampiavaka tamin’izany andro izany: mihinana, misotro, manambady, manome vady, mividy, mivarotra, manorina trano, mamboly. Saingy tsy misy na inona na inona fahotana manokana amin'ireo asa ireo. Inona ary no olana?
Ny olana dia ny fieremana. Ny olona tamin’izany andro izany dia nanjary variana loatra tamin’ireny asa ara-nofo ireny ka tsy fantany akory ny fitsaran’Andriamanitra mananontanona eo amin’ny fomba fiainany ara-nofo. Rehefa tonga ny fitsarana, dia tsy vonona tanteraka izy ireo. Toy izany koa amin’izao andro izao amin’ny ankamaroan’ireo milaza ho Kristiana any Amerika. Raha toa ka tsy maintsy miaraka tampoka amin’ny fiverenan'i Kristy ny fitsaran' Andriamanitra farany, dia tsy ho vonona tanteraka izy ireo.
Tahaka ny fieremana, matetika tsy fantatra ny otan’ny marimaritra iraisana. Roa taona teo ho eo izay, rehefa nivavaka aho, dia nanana sary an-tsaina ny ao anatin’ny trano fiangonana mahazatra misy andalana dabilio, lampihazo, polipitra, pianô sy ny sisa. Feno zavona anefa ilay trano manontolo. Azo fantarina ny drafitry ny zavatra tao, saingy tsy nisy voafaritra mazava. Raha mbola nanontany tena aho hoe inona no asehon'ny zavona, dia nanome ahy teny iray mazava Andriamanitra: marimaritra iraisana.
Ao amin'ny fiangonana ankehitriny, ny ankamaroan'ny fahamarinana ara-moraly sy ara-poto-pampianarana, izay voalaza mazava tsara ao amin'ny Testamenta Vaovao, dia nanjary manjavozavo sy tsy mahomby. Ao amin’ny 1 Korintiana 6:9-10 i Paoly dia nanoratra hoe:
“Aza mety hofitahina hianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin'olona sy ny sodomita sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra.”
Na izany aza, ny fiangonana ankehitriny dia feno olona izay manao izany fahotana izany, nefa mitoetra ho tsy miraharaha tanteraka. Matetika izy ireo no mirehareha amin'ny fahotana toy izany.
Nisy mpino iray nandry tao amin'ny hopitaly iray, ho fatin’ny SIDA, izay voan'ny firaisan'ny mitovy fananahana. Avy eo dia nandray an’i Kristy izy ary nomena Testamenta Vaovao. Rehefa avy namaky kely tao amin’ny Testamenta Vaovao izy, dia nandefa hafatra maika ho an’ilay olona nitarika azy ho amin’i Kristy hoe: “Avia, ka mivavaha ho ahy, fa mila fanafahana aho. Tsy fantatro mihitsy hoe nisy tsy nety teo amin’ny fiainako.
Teo amin'ny folo taona lasa izay, tamin'ny vanim-potoanan'ny Krismasy, ny ekipanay dia nanolotra ahy sy i Ruth mba hiseho amin'ny famelabelarana roa an’ny fahitalavitra PTL. Koa satria tsy mijery fahitalavitra izahay, dia tsy fantatray izay hitranga. Izaho no voatonona ho "mpandaha-teny lehibe". Tamin'ny ora voalohany dia nomena folo minitra aho, ary tamin'ny ora faharoa, roapolo minitra. Ny ankamaroan'ny fotoana dia nomena ho fitakiana vola sy ny fivarotana saribakoly “Tammy”. Raha ny fitadidiako dia izaho sy i Ruth ihany no nanonona an’i Jesosy.
Fotoana fohy taorian'izay dia nisy ny fanambarana ampahibemaso henatra izay nanjary nalaza be ankehitriny. Fa ho ahy manokana ny zavatra nanafintohina indrindra dia tsy mba ny fanaovana ratsy ara-nofo na ara-bola, mampalahelo tokoa izany. Ny nanaitra ahy tamin'izany fotoana izany, ary mbola manaitra ahy hatramin'izao, dia ny fahatsapana fa Amerikana an-tapitrisany no miatrika tsy an-kijanona amin'ny sarin-diso tanteraka momba ny Kristianisma-ilay tsy nanana toerana ho an'ny hazo fijaliana, miaraka amin’ny fitakiany fanetren-tena, ny fahamasinana ary ny fiainana sorona. Mampalahelo tokoa ny mahatsapa fa ny olona voasarikin’ny famelabelarana toy izany dia mety tsy handre ny tena fahamarinan’ny filazantsara mihitsy!
Ny henatra momba ny PTL dia tantara ankehitriny, saingy namela fanontaniana tokony hovaliantsika izany: tranga mitokana fotsiny ve izany, sa soritr'aretina mihatra amin'ny Vatan'i Kristy manerana an'i Amerika?
Kanefa ao anatin'ny fiangonana dia mbola misy sisa amin'ny mpanara-dia an'i Jesosy tso-po sy mahafoy tena. Raha anisan’izany isika, inona no takin’Andriamanitra amintsika manoloana ny krizy ankehitriny?
Valiny mazava iray no omena ao amin’ny 2 Tantara 7:14:
“Raha ny oloko izay nantsoina tamin'ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hanasitrana ny taniny.”
Mihatra amin'ny Kristiana rehetra izay mitondra ny anaran'i Kristy eo amin'ny tenany ny andian-teny hoe "Oloko izay nantsoina amin'ny anarako."
Nandritra ny 30 taona fara fahakeliny aho no nampianatra momba an'io Soratra Masina io, fa vao haingana aho no niatrika fahatsapana nanaitra. Tsy mbola nahatanteraka ny fepetra voalohany mihitsy ny olon’Andriamanitra amin’izao androntsika izao. Tsy nanetry tena mihitsy isika. Ny hambom-pontsika na ara-pivavahana na ara-pirazanana dia mijanona ho toy ny sakana izay manakana ny valin'ny vavaka ataontsika ho an'ny tenantsika sy ho an'ny firenentsika.
Tamin'ny alalan'ny fifampiraharahana mafy nataon'Andriamanitra teo amin'ny fiainako, dia nianatra ny fomba mahomby indrindra ho antsika hanetrena tena aho. Tsotra indrindra, amin’ny alalan’ny fiaikena ny fahotantsika izany. Raha miaiky tsy tapaka sy amin-kitsimpo ny fahotantsika amin’Andriamanitra isika, dia tsy hanatona Azy amin’ny toe-po miavonavona mihintsy isika. Fanampin'izany, efa hitako fa nanolo-tena fotsiny Andriamanitra hamela ny fahotana izay ekentsika.
“Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsi-fahamarinana rehetra.” (1 Jaona 1:9)
Ny ota tsy iakena dia fahotana tsy voavela. Noho izany ny sakana amin'ny avonavona dia manangana sakana faharoa amin'ny fahotana tsy voavela.
Ny Baiboly dia mampirisika antsika hiaiky ny fahotantsika tsy amin'Andriamanitra ihany, fa amin'ny hafa koa.
“Koa mifaneke heloka hianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana hianareo.” (Jakoba 5:16a)
Ny fiaikena ny fahotantsika amin'Andriamanitra dia mifampira-haraha amin'ny avonavona mitsangana; ny fifampiaikena dia mifampiraharaha amin'ny avonavona marindrano. Sarotra amintsika ny mitazona toe-po feno avonavona manoloana ny olona iray izay vao niaikena fahotana manokana.
Mihatra indrindra amin'ny fifandraisan'ny mpivady izany. Ireo izay mifampiaiky tsy tapaka ny fahotana dia tsy ho voasakan'ny avonavona.
Ankoatra izany, ny fiaiken-keloka dia fepetra tena ilaina amin'ny fanelanelanana mahomby. Isan’ny olo-marina indrindra ao amin’ny Baiboly i Daniela, kanefa rehefa niainga hanao fifonana ho an’ny Isiraely olony izy, dia nanomboka tamin’ny fiaikeny ny anjarany tamin’ny fahotany (Dan. 9:3-13).
Mino aho fa miandry antsika Kristiana Amerikanina Andriamanitra mba hanetry tena eo anatrehany sy hifampiaiky ny fahotantsika. Rehefa vita izany vao afaka miroso amin’ny fitakiana ny fanasitranana ny tanintsika. Fa tsy maintsy ampiako teny fampitandremana. Aza manomboka miditra amin’ny fandinihan-tena lalina! Ny Fanahy Masina dia “rantsantànan’Andriamanitra” (Mat. 12:28; Lio. 11:20). Angataho Andriamanitra hametraka ny rantsantànany eo amin’ireo fahotana tokony hiaikena. Hanao izany amim-pahamarinana tsy misy diso Izy, angamba hampiharihary ny fahotana izay tsy fantatrao mihitsy!
fehezan-dalàna: TL-L001-100-MLG









