Afaka mandinika ireo fanontaniana ireo isika rehefa misaintsaina an’io antso mba hiditra ao amin’ny fitsaharan’Andriamanitra io: Mampiasa tsara ny fotoantsika ve isika? Tena fantatsika tokoa ve ny atao hoe mitsahatra? Moa ve isika mahavita mifehy tena mba tsy hanao zavatra — na dia ara-tsaina aza? Afaka mandry ve isika ka tsy mieritreritra izay tokony hataontsika?

Ny toetra no imasoan'Andriamanitra noho ny zava-bita. Ny zava-bita dia manan-danja amin'ny sehatry ny fotoana ihany, fa ny toetra dia mandrakizay. Izany no mamaritra ny ho toetsika mandritra ny mandrakizay.

Nahazo fahitana momba ny lanitra niaraka tamin'ny zava-boary be voninahitra sy ny seza fiandrianan'i Jehovah i Isaia (jereo Isaia 6). Ny fanompoana tany an-danitra dia notarihin’ny zava-boary antsoina hoe serafim (Hebreo,seraph)), teny mifandray mivantana amin’ny teny hoe afo. Ireo dia zava-boary mirehitra eo akaikin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra, ary miantso mafy andro aman’alina hoe:

“Masina, masina, masina Jehovah” (Isaia 6:3)

Samy nanana elatra enina izy ireo, izay nampiasainy tsara. Tamin’ny elatra roa, no nanaronan’izy ireo ny tavany,tamin’ny elatra roa hafa, nanaron’izy ireo ny tongony; ary, tamin’ny elatra roa, dia nanidinany (jereo ny andininy 2). Adikako ho toy ny fanetren-tena amin'ny fanompoana ny fanaromana ny tava sy ny tongotra, ataoko ho asa fanompoana ny fisidinana.

Mino ny maha-zava-dehibe ny fisaorana an’Andriamanitra sy ny fiderana Azy mafy aho — na ny fandihizana, ny fitehafana, ary ny fihirana aza. Saingy tonga ny fotoana hametrahako ny “elatro” eo ambonin’ny tavako sy ny tongotro amin’ny fanompoana amim-panetren-tena sy hihaino ho mahare izay lazain’Andriamanitra.

“Enga anie ka hohenoinareo anio ny feony manao hoe: Aza manamafy ny fonareo” (Salamo 95:7–8)

Mampivelarà toe-tsaim-pivavahana ary mianara miala sasatra. Tsarovy, fa ny Fanahin’ny Tompo dia mitady karazana olona iray — izay manana fo tanteraka amin’Andriamanitra. Aoka ianao ho olon’izany toetra izany, dia haneho tanjaka ho anao Andriamanitra Tenany.