Fahafahana hitia

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Ny Soratra Masina dia miresaka momba ny lalàna mpanjaka tonga lafatra izay mitondra fahafahana marina sy manatanteraka ny didy rehetra hafa. Jereo ny fomba itiavana ny hafa tahaka ny nataon'i Kristy, na dia manoloana ny fankahalana aza, izay manokatra fahafahana mahery vaika tsy misy olona afaka manaisotra na oviana na oviana.
"Fa izay mandinika ny lalàna tanteraka, dia ny lalàn'ny fahafahana, ka maharitra amin'izany, raha tsy mpihaino manadino, fa mpanao ny asa, dia ho sambatra amin'ny asany izany olona izany." (Jakoba 1:25).
"Kanefa raha mankato ilay didy ambony indrindra hianareo, araka ny Soratra Masina hoe: "Tiava ny namanao tahaka ny tenanao", dia manao tsara hianareo." (Jakoba 2:8)
Ny lalàna hoe “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao” dia antsoina amin’ny zavatra roa: ny “lalàn’ny fahafahana tonga lafatra” sy ny “lalàn’ny mpanjaka”. Lalàna tonga lafatra izy io satria mahafaoka ny lalàna hafa rehetra. Rehefa tena tia ny namanao ianao, amin-kafanam-po sy amin’ny fo madio, dia tsy afaka ny tsy hitandrina ny didy hafa rehetra. Amin'ny fitandremana izany lalàna iray izany, dia mankatò ny lalàna rehetra ianao. Izy io koa no lalàna ny mpanjaka, na lalàna, ny andriana .
Lalàna tonga lafatra momba ny fahalalahana, na ny fahafahana, satria tsy misy mahasakana anao tsy hitia. Raha vao tapa-kevitra ny hitia ianao, dia afaka miteny zavatra ratsy rehetra momba anao ny olona ary mampahory anao, saingy tsy afaka manakana anao tsy hitia. Ny hany olona afaka tanteraka dia ny olona tia.
Jesosy no ohatra tonga lafatra momba ny fahafahana amin'ny fitiavana. Ny manam-pahefana dia nanao ny zavatra rehetra Taminy: nikapoka Azy izy ireo, nandefona ny Tanany sy ny Tongony, nasiany satro-tsilo ny Lohany, nomena vinaingitra Hosotroiny, nanararaotra Azy, nanevateva Azy. Ny zavatra tokana tsy azon’izy ireo natao anefa dia ny nanakana Azy tsy hitia. Tia azy ireo hatramin’ny farany Izy (jereo ny Lioka 23:34).
Raha tia amin'izany karazana fitiavana izany ianao, dia tsy misy afaka manakana anao tsy hanao izay tianao hatao — ny fitiavana. Izany no antony iantsoana ny fitiavana hoe “lalàn’ny fahafahana tonga lafatra.”
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo ô, fa miahy tokoa Ianao. Manambara aho fa efa nanapa-kevitra ny hitia amin’ny fankatoavana ny lalàn’ny fahafahana tonga lafatra an’Andriamanitra. Tahaka ny fangorahan’ny ray ny zanany, no fangorahan’Andriamanitra ahy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-253-MLG










