Andriamanitra no Mifehy ny Zava-drehetra

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Ny fahalalana tanteraka ananan'Andriamanitra dia midika fa tsy misy zavatra mahagaga Azy. Ity boky fandinihana ity dia manamafy ny fanapahany ny zavatra rehetra, ny fikasany ho an'ireo izay efa fantany mialoha, ary ny faniriany feno faharetana mba hibebahan'ny olona.
Rehefa takatsika ny fahafenoan’ny fahalalan’Andriamanitra — ny Fahalalany mialoha, indrindra indrindra — dia manome toky antsika fa na inon’inona mitranga, dia tsy taitra mihitsy Andriamanitra. Tsy misy toe-zavatra maika ao amin’ny fanjakan’ny lanitra. Tsy vitan’ny hoe mahafantatra ny farany hatrany am-piandohana Andriamanitra, fa Izy Tenany mihitsy no “ny Fiandohana sy ny Fiafarana” (Apokalypsy 21:6). Ary Izy no mifehy tanteraka mandrakariva.
Fantatr'Andriamanitra manokana ireo izay Nofidiny hiaraka Aminy mandrakizay.
“Satria izay fantany rahateo no notendreny koa hitovy endrika amin’ny Zanany, mba ho Lahimatoa amin’ny rahalahy maro Izy.” (Romana 8:29)
Raha, noho ny famindram-po sy ny fahasoavan'Andriamanitra, no tafita amin'izany toerana be voninahitra, mandrakizay izany isika, dia tsy hiarahaba antsika na oviana na oviana i Jesosy amin'ny teny hoe: "Tsy nampoiziko ny hahita anao eto!" Fa kosa, hoy Izy hoe: “Zanako, niandry anao aho. Tsy afaka nipetraka tamin’ny fanasam-panambadiana izahay mandra-pahatonganao.” Amin'io fanasana be voninahitra io, mino aho fa ny toerana rehetra dia hitondra ny anaran'ilay olona nanomana azy io.
Mandra-pahafeno ny isan’ny navotana, dia miandry amim-paharetana ma hatalanjona Andriamanitra, “tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin’ny fibebahana izy rehetra” (2 Petera 3:9).
Prayer Response
Misaotra Anao, Ray ô, fa Fantatrao tanteraka aho. Manambara aho fa Andriamanitra dia mifehy tanteraka mandrakariva; Tsy taitra mihitsy Izy. Fantatry ny Raiko izay ilaiko, na dia mbola tsy nangataka Taminy aza aho, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-249-MLG










