Voa Tsy Mety Lo

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Ahoana no ahafahan'ny Kristiana iray naterak'Andriamanitra nefa mbola manota ihany, raha milaza ny Baiboly fa tsy afaka manao izany izy? Ny valiny dia miorina amin'ny fahamarinana lalina momba ilay natiora vaovao nateraka ao anatin'ny mpino rehetra, dia natiora izay avy amin'ny voa tsy mety lo an'ny Tenin'Andriamanitra.
“Izay rehetra naterak’Andriamanitra no tsy manota, satria ny voany mitoetra ao anatiny, ary tsy mahay manota izy, satria naterak’Andriamanitra.” (1 Jaona 3:9)
Milaza amintsika ve io andininy io fa tsy manota mihitsy ny mpino nateraka indray? Raha izany no izy, dia maro amintsika no tsy tafiditra ao amin’izany, anisan'izany ny tenako! Moa misy amintsika izay tena naterak’Andriamanitra tokoa ve ka azo lazaina hoe: “Tsy mahay manota Izy”? Tsy mino izany aho. Inona àry no dikan’io andininy io?
Ny fahazoako azy dia miresaka momba ny toetra vaovao teraka tao anatintsika io. Toetra tsy afaka manota izany — ny toetran’i Jesosy. Io ilay olom-baovao. Tena zava-dehibe ny mahatsapa izany satria rehefa mikolokolo sy milefitra amin’izany toetra izany isika vao tonga amin’ny fiainana mandresy ny ota.
Ao amin’ny 1 Jaona 5:4, dia mamaky isika hoe: “Fa izay rehetra naterak’Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao.” Mariho fa i Jaona dia namaritra tsara hoe “izay rehetra naterak’Andriamanitra”, fa tsy hoe izay olona rehetra. Tsy olona ihany no tiany holazaina, fa ny toetrany ihany koa. Izay no fahazoako azy. Toetran’ilay olom-baovao izany. Tsy afaka manota io toetra vaovao io; tsy mety lo izany. Fantatrao ve ny antony mahatonga azy tsy mety lo? Ilay voa avy amin’Andriamanitra dia mitoetra ao amin’ilay olom-baovao. Inona moa ilay voa? Hitantsika ao amin’ny 1 Petera 1:23:
"Efa teraka indray hianareo, tsy tamin’ny voa mety ho lo, fa tamin’ny tsy mety ho lo, dia ny tenin’Andriamanitra, izay velona sady maharitra."
Inona no toetran'ny voan'ny Tenin'Andriamanitra? Tsy mety lo izany. Mifanohitra amin'izany tanteraka ny toetran'ilay olona taloha, izay mety lo (ary efa lo tokoa)
Prayer Response
Misaotra Anao, Jesosy ô, noho ny amin'ny fifanakalozana teo amin'ny hazo fijaliana. Manambara aho fa misy famoronam-baovao teraka ato anatiko — toetra tsy afaka manota, dia ny toetran’i Jesosy. Manambara aho fa maty ao amin’i Kristy ilay olona taloha mba ho tonga olom-baovao eo amin’ny fiainako, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-234-MLG










