Ndeha hojerentsika bebe kokoa ny fifanakalozana misy eo amin'ilay olona taloha sy ilay olom-baovao. Vokatry ny laingan’ny devoly ilay olona taloha. Vokatry ny fitaka izy. Ny toetrany manontolo dia fitaka sy fahasimbana. Izy no vokatry ny menarana. Ilay olona taloha dia miolakolaka tahaka ny namolavolana azy. Tsy misy fahamarinana ao aminy — fa miolakolaka hatrany am-poka izy. Arakaraka ny fiezahany hahitsy, no vao mainka mampiolakolaka.

Inona no vahaolana? Nofantsihana tamin’ny hazo fijaliana ilay olona taloha mba hivoahan’ilay olona vaovao. Manoro lalana antsika ny Efesiana 4:22 mba hialanareo ny toetrareo taloha”; avy eo, ao amin’ny andininy faha-24, dia ampirisihina isika mba “hotafinareo ny toetra vaovao”. Ity ilay fifanakalozana. Ny akanjo tonta dia miala; ary apetaka ny akanjo vaovao.

Ny Efesiana 4:24 dia manohy milazalaza ilay olom-baovao ho manana “tena fahitsiana sy fahamasinana”. Te hamerina ilay andinin-teny toy izao aho: “izay, noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana.” Ara-bakiteny kokoa, “Izay, araka ny drafitr’Andriamanitra [ireo fitsipik’Andriamanitra, ny fomba fisainan’Andriamanitra, na ny fikasan’Andriamanitra, na inona na inona tianao ho takarina], dia nohariana tamin’ny fahitsiana sy ny fahamasinan’ny fahamarinana.” Ny olom-baovao dia vokatry ny fahamarinan’ny Tenin’Andriamanitra momba an’i Jesosy Kristy. Ny fahamarinana, izay raisina ao am-pontsika amin’ny finoana, dia mitondra olom-baovao, izay mitondra fahamarinana sy fahamasinana. Ilay olom-baovao dia noforonina araka ny fitsipik’Andriamanitra, na ny fikasany, amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana, izay vokatry ny fahamarinana.