Lalana Tokana mankany amin'ny Fahafahana

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Ny Fanahy Masina dia tsy fahatsapana fotsiny na fandaharam-piangonana, fa ny Tompo mihitsy, mitovy amin’ny Ray sy ny Zanaka. Ny tena fahafahana dia tsy hita ao amin’ny fombafomba ara-pivavahana na ny fihetsika ivelany, fa any amin’izay misy Azy sy itarihany ihany.
Zava-dehibe ny maha-tena iray ny Fanahy Masina. Tsy hoe tena iray fotsiny Izy, fa Tompo, tahaka an’Andriamanitra Ray Tompo ary Andriamanitra Zanaka Tompo. Mitovy amin’ireo mpikambana roa hafa ao amin’Andriamanitra Izy. Midika izany fa tsy maintsy manana toe-tsaina manaja ny Fanahy Masina mitovy amin’ny ananantsika amin’ny Ray sy ny Zanaka isika.
Ao amin’ny 2 Korintiana 3:17, dia nanao izao teny tsotra izao i Paoly:
“Ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay itoeran’ny Fanahin’ny Tompo no itoeran’ny fahafahana.”
Ao amin'ity andalana ity, dia hitantsika ny fampitahana ny fanandevozan'ny lalàna, na ny rafitra ara-dalàna sy ny fahafahana. Iray ihany ny lalana hananana fahafahana. Izay misy ny Fanahy Masina no, misy ny fahafahana.
Kristiana maro no manana hevitra momba ny fahafahana. Hoy izy ireo: “Raha tsy mandihy eo amin’ny lampihazo isika amin’ny 6:45 hariva. ny Alahady hariva, dia tsy manana fahafahana isika. Na koa hoe: “Raha tsy miteha-tanana isika rehetra, dia tsy manana fahafahana isika.” Mihevitra ny mpitory sasany fa tsy manana fahafahana izy ireo, raha tsy manitsaka eny amin’ny lampihazo sy mikiakiaka.
Ny fahafahana dia tsy hoe fanarahana fandaharana iray ao am-piangonana. Tsy ny fandehanana amin'ny alalan’ny fihetsiky ny sasany, toy ny fananganan-tanana. Mety ho fahafahana izany, saingy mety ho fanandevozana mora foana. Izany dia miankina amin'ny hoe ny Fanahy Masina no manosika azy, na manao izany avy amin'ny fombam-pivavahana fotsiny ianao. Ny fombam-pivavahana dia miteraka fanandevozana; ny Fanahy Masina no mamokatra fahafahana.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo ô, fa afaka tonga Aminao aho. Manambara aho fa izay misy ny Fanahy Masina dia misy fahafahana. Afaka manatona an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina aho, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-223-MLG










