Azy Tanteraka

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Ny ankizilahy iray izay nanao sokitra sambokely tsara tarehy, nefa very tany an-dranomasina izany, ary avy eo nandoa vola nividianana azy indray, dia mampiseho ny votoatin'ny Filazantsara. Azy indroa miantoana ianao satria ny Tompo izay nanao anao no nanavotra anao koa, mitazona anao akaiky ary manambara fa Azy tanteraka ianao.
Nisy zazalahy iray nipetraka tao amin'ny tanàna amoron-dranomasina. Mpanao sary sikotra nahay sy fetsy izy, ary nanao sary sikotra sambo kely hazo izy. Rehefa nasiany lay ilay izy, dia tena nandeha. Indray andro, dia nentiny teny amoron-dranomasina ilay izy, ary nalefany teo amoron-dranomasina, saingy niova ny onja ka nitondra ilay sambo keliny ho any an-dranomasina, ary tsy azony. Noho izany, dia nody tsy nanana ny sambo keliny izy.
Niverina indray ilay sambo, rehefa niova ny rivotra sy ny rano. Nisy lehilahy iray nandeha teny amoron-dranomasina nahita ilay sambo, naka azy, ary nahita fa asa tsara ilay izy. Nentiny tany amin’ny fivarotana iray teo an-toerana ary namidiny. Nodiovin’ilay tompon’ny tranombarotra izany ary nasehony teo amin’ny varavarakelin’ny fivarotany tamin’ny vidiny dimy amby telopolo dolara.
Fotoana fohy taorian’izay, nandalo teo amin’ilay toeram-pivarotana ilay zazalahy, nijery teo am-baravaran-kely, ary nahita ny sambony mitentina dimy amby telopolo dolara. Fantany anefa fa tsy manana fomba hanaporofoana fa sambony io. Raha naniry ny sambony izy, dia tsy nisy afa-tsy zavatra iray no azony natao: nividy azy indray.
Nanomboka niasa izy, ka nanao izay azony natao mba hahazoana vola hividianana ny sambony. Raha vao azony ilay vola, dia niditra tao amin’ilay fivarotana izy ary niteny hoe: “Te hividy an’io sambo io aho.” Nandoa ny vola izy, ary, rehefa azony teny an-tanany ny sambo, dia nandeha nivoaka izy ary nijanona teo amin’ny sisin-dalana. Nohazoniny teo amin’ny tratrany ilay sambo ary hoy izy: “Ahy ianao izao’’. Izaho no nanao anao ary nividy anao. Izany no fanavotana. Voalohany, ny Tompo no nanao antsika, saingy tao amin’ny tsenan’ny andevon’i Satana isika. Avy eo, nividy antsika Izy. Azy fanindroany isika. Afaka mahita ny maha-sarobidy anao amin’ny Tompo ve ianao? Eritrereto ny tenanao ho toy io sambo io mandritra ny fotoana fohy. Mety hahatsiaro tena ho tsy mahay ianao, tsy misy vidiny. Manontany tena ianao raha tena miahy tokoa Andriamanitra. Miezaha hino fotsiny fa ianao no ilay sambo eny an-tsandrin'ny Tompo ary miteny aminao Izy hoe: “Ahy ianao ankehitriny. Izaho no nanao anao ary Izaho no nividy anao; Ahy manokana ianao; Ahy tanteraka ianao.”
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo ô, noho ny Famelanao. Manambara aho fa eo an-tsandrin’i Tompo aho, ary Izy no nanambara fa Azy Aho. Izy no nanao ahy ka nividy ahy; tia ahy Izy; Azy tanteraka aho. Voavela heloka ary afaka amin'ny fahotako aho, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-161-MLG










