Andriamanitra dia Eto

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Mbola azo antoka foana ny fanatrehan'Andriamanitra, na dia toa mifanohitra amin'izany aza ny zava-mitranga. Ampifandraisin'i Derek Prince ny fahatokian'Andriamanitra tamin'i Israely sy ny fampanantenan'i Jesosy fa tsy handao na hahafoy ny mpino mihitsy Izy, ka manolotra fampiononana sy hery amin'ny alalan'ny fanatrehan'ny Fanahy Masina izay tsy hita maso.
Nampanantena an'i Abrahama sy Jakoba Andriamanitra fa ho tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina ny taranany. Izany no sary mazava tsara momba ny Isiraely nandritra ireo roa arivo taona farany teo amin’ny tantara. Mamely azy tsy an-kijanona ny onja. Ny fahatezeran’ny olona sy ny demonia — ary i Satana tenany mihitsy — dia niteraka famelezana tsy tambo isaina tamin’ny vahoaka Jiosy tany amin’ny faritra maro samihafa tamin’ny fotoana samihafa. Mihorohoro ny ranomasina; mirohondrohona, mifofofofo, mively amin'ny fasika. Ary fantatrao ve izay mitranga? Mandresy foana ny fasika. Nahoana? Satria Andriamanitra no nilaza fa hisy izany. Ny Tenin’Andriamanitra dia miasa ao anaty.
Zava-dehibe ny mahatakatra fa tsy nifidy ny ho olon’Andriamanitra ny Jiosy. Ny Tompo no nifidy azy ireo. Mino aho fa ny safidy rehetra ataon'Andriamanitra dia safidy tsara. Na manao ahoana na manao ahoana zavatra mety mifanohitra amin’izany, dia nanao ny tsara ny Tompo. Tsy hahafoy ny Olony Izy — tsy noho izy ireo mendrika ny Fahatokiany, fa noho ny Anarany lehibe. Ny anaran’Andriamanitra dia natolotra ny Isiraely; Tandindomin-doza ny Hajany.
Ao amin'ny Testamenta Vaovao, Jesosy Tenany mihitsy no manome toky antsika tahaka izany:
“Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory ” (Hebreo 13:5)
Indraindray, mety tsy mahatsapa ny Fanatrehany isika, fa miaraka amintsika Izy, amin'ny alalan'ny Fanahiny Masina. Na aizan’ aiza alehantsika, dia eo Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahiny — tsy hita maso, matetika tsy tsikaritra, nefa tsy azo ihodivirana. Ho an'ny tsy mino, dia mety ho eritreritra mampatahotra izany; fa ho an’ny mino kosa, dia fanomezan-toky mampahery sy mampatanjaka izany.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo ô, fa miditra lalina ho an'ny Isiraely Ianao. Mifona ho an'io firenena io aho ankehitriny. Manambara aho fa tahaka ny nomban’ny Tompo ny Isiraely, no Hombany ahy koa, tsy hahafoy ny Olony ny Tompo, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-085-MLG










