Ny Andriamanitra Manokana

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Rehefa hitany fa tsy nahafa-po ireo petra-kevitra ara-pianarana momba ny niandohantsika, dia talanjona ny mpampianatra oniversite teo aloha iray tamin'ilay valiny tsotra nefa lalina hitany tao amin'ny Baiboly. Fantaro ny momba ilay fotoana kanto namoronan'ny Tompo Andriamanitra ny olona avy tamin'ny vovoka sy nanofofonany ny fofonain'ny fiainany tao aminy, ka namoronany olona iray mba hanana fiombonana Aminy.
Efa mpampianatra tao amin'ny an-jery manontolo lehibe indrindra any Britanika aho taloha, ary nahazo diplaoma sy mari-pahaizana samihafa. Amin'ny fomba maro, dia tena be pitsopitsony aho — ara-tsaina. Saingy tsy mahatsiaro ho ambany ara-tsaina mihitsy aho raha milaza fa mino ny fitantaran’ny Baiboly momba ny famoronana aho. Talohan’ny ninoana ny Baiboly, dia nianatra loharano maro hafa izay nanandrana nanazava ny niandohan’ny olombelona aho, nefa hitako fa tsy nahafa-po azy ireo. Matetika, dia nifanohitra amin’ny hafa izy ireo. Niverina nianatra Baiboly aho avy eo — tsy tamin’ny naha-mpino ahy, fa tamin’ny naha-filosofia matianina. Nieritreritra aho anakampo hoe, fara faharatsiny, tsy ho adala noho ny zavatra hafa reko! Fahagagana ho ahy ,fa fantatro ny valiny ao amin’ny Baiboly.
Ao amin'ny Genesisy, dia mamaky fanambarana, fohy sy tsotra isika. Manomboka amin’ny hoe, “Ny Tompo Andriamanitra” — izany hoe, “Jehovah Andriamanitra” — ny anaran’Andriamanitra manokana. Io teny io dia milaza amintsika fa Andriamanitra manokana dia namorona olona manokana ho an'ny fiombonana manokana.
“Ary vovo-tany no namorona [namolavola]n'i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona izy [fanahy].” (Genesisy 2:7)
Hitantsika eto ny firaisana ao amin’Andriamanitra masina, fofonaina mandrakizay avy any ambony miaraka amin’ny vatana tanimanga avy any ambany, novolavolain’ny tanan’ny Mpamorona. Ny firaisana avy amin’ny fanahy avy any ambony sy ny tanimanga avy any ambany dia niteraka olombelona velona manokana— izay afaka miombona amin’ Andriamanitra manokana, velona
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo ô, noho ny amin’ny Fanomezanao ny tenako. Manambara aho fa Andriamanitra manokana no nahary ahy ho amin’ny fiombonana manokana-ary ny tenako dia ho an'ny Tompo, ary ny Tompo dia ho an'ny tenako, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-078-MLG










