Iza no Hotompointsika?

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Ny olona tsirairay dia mpanompon’izay fidiny hankatoavina, fanapahan-kevitra izay misy lanjany mandrakizay. Na dia voafatotry ny ota aza isika taloha, ny fanavotana amin’ny alalan’i Jesosy Kristy dia manome fahafahana mahatalanjona hifidy ny hanompo ny Tompo.
"Tsy fantatrareo va fa raha manolo-tena ho mpanompo hianareo na ho an’iza na ho an’iza, dia mpanompon’izay arahinareo hianareo, na ny ota ho amin’ny fahafatesana, na ny fanarahana ho amin’ny fahamarinana?" (Romana 6:16)
Nilaza i Paoly fa rehefa milefitra amin'ny olona iray isika, dia lasa andevon'izay ankatoavintsika. Raha milefitra amin’ny, andao lazaina hoe, fahalotoam-pitondrantena isika, dia lasa andevon’ny fahalotoam-pitondrantena. Tsy afaka milefitra amin’ny ota isika kanefa tsy lasa andevony.Noho izany, tsy maintsy manapa-kevitra àry isika hoe iza sy inona no tiantsika hileferana. Ny sasany amintsika dia tsy tia safidy, fa eo amin'ny fiainana ara-panahy dia tsy afaka miala amin'izany isika.
Tamin'ny fiafaran'ny asany, dia nomen'i Josoa safidy ny Isiraely:
“Koa ankehitriny, matahora an’i Jehovah, ka manompoa Azy amin’ny fahitsiana sy ny fahamarinana... Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo an'i Jehovah, dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo, na ny andriamanitra izay notompoin'ny razanareo tany an-dafin'ny Ony, na ny andriamanitry ny Amorita, izay mponina teto amin'ny tany onenanareo; fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an'i Jehovah izahay. (Josoa 24:14–15)
Nangataka ny Isiraelita i Josoa mba hanao safidy, ary tsy niova mihitsy izany safidy izany. Tsy ny hoe hanompo ve isika; fa hoe iza no hotompointsika. Hanompo isika. Talohan'ny nanavotana antsika, dia tsy nanana safidy isika. Tsy nahasakana ny fahotana isika; tsy nisy safidy hafa afa-tsy ny ho andevon’ny ota sy ny mpanompon’i Satana. Rehefa avy niaina ny fanavotana amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesosy Kristy isika, anefa, dia manana safidy hafa: afaka misafidy ny hanompo an’Andriamanitra sy ho “mpanompon’ny” fahamarinana.
Prayer Response
Misaotra Anao, Jesosy ô , noho ny amin’ny Fandresenao teo amin’ny hazo fijaliana. Mifidy ny hanompo ny Tompo aho, ary manambara fa ny momba ny tenako, ny rantsam-batako, dia fitaovan'ny fahamarinana, milefitra ho an'Andriamanitra ho amin'ny Andraikiny sy ho Voninahiny, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-069-MLG










