Tohizo foana ny milaza azy!

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Rehefa maka fanahy anao ny fahavalo, dia mitady valiny avy aminao izy, saingy azonao ampanginina izy amin’ny alalan’ny fanambarana tsy tapaka ny herin’ny Hazofijaliana. Fantaro hoe nahoana Andriamanitra no manome lanja ny toetranao mandrakizay mihoatra lavitra noho ny fanomezam-pahasoavanao ety an-tany, ary ny fomba ahafahanao manorina manda ara-panahy mafy orina sy maharitra.
Hihomehy antsika voalohany i Satana, raha vao manao an'io fanambarana io isika. Mila hazonintsika foana ny filazana azy io. Satana dia mpaka fanahy, nefa tena metodista izy ary tsy mandany fotoana. Maka fanahy anao izy raha mbola mahazo valiny avy aminao. Rehefa tsy misy valiny intsony, dia tsy hanelingelina haka fanahy anao izy.
Noho izany, mety halaim-panahy isika ao amin'ny faritra, andao lazaina hoe lolompo. Tsy maintsy hazomintsika ny milaza, “Nohomboana tamin’ny hazo fijaliana izany. Tsy manan-kery ato amiko izany. Tsy manana toerana ato amiko izany.” Hoy ny devoly: “Tsy marina izany. Izany fotsiny no nolazain-dRahalahy Andrianina.” Fa hazonintsika hatrany ny milaza izany. Ary rehefa afaka kelikely, dia lasa tena misy ilay izy ka tsy handany andro hiezaka haka fanahy antsika intsony ny devoly.
Iray amin'ireo zavatra tsy maintsy ataontsika ny manorina ny rindrin'ny toetrantsika. Milaza ny Baiboly fa ny olona izay tsy mahafehy ny fanahiny dia toy ny tanàna rava ary tsy misy manda (jereo ny Ohabolana 25:28). Ao amin’ny kolontsaintsika amin’izao andro izao, dia olona maro no mitombo toy ny rindrina rava noho ny tokantrano ratsy, ny zava-mahadomelina, na ny fitaoman-dratsy. N’iza n’iza efa lalim-paka amin'ny zava-mahadomelina dia tena tanàna tsy misy manda fiarovana. Manorina ny rindrina isika amin'ny fanamafisana ny sitrapontsika sy ny fanamafisana ny zontsika novidin'ny hazo fijaliana. Mety hihevitra izany dingana izany ho zavatra hiainana mahatsiravina isika. Tsy tsampantsika anefa hoe hatraiza ny soa entin’izany amintsika; amin'ny fiafaran'izany, dia mahatsangana toetra matanjaka isika. Mihelina ihany ny fanomezana, ho an’izao fiainana izao ihany; ny toetra dia maharitra — mankany amin'ny mandrakizay miaraka amintsika. Andriamanitra dia liana lavitra ny amin’ny toetranao noho ny fanomezanao.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo, noho ny amin’ny ran’i Jesosy. Manambara aho fa mikasa ny hanamafy ny sitrapoko aho ary hanamafy ny zoko novidin’ny hazo fijaliana, ka lazaiko hatrany hatrany indray hoe: Satana tsy manana toerana ato anatiko, tsy manan-kery amiko, tsy misy fitakiana tsy voalamina manohitra ahy. Ny ran'i Jesosy dia efa nandamina ny rehetra!, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-056-MLG










