Ny Herin'ny Fifadian-kanina

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Ny fanaovana fombafomba fotsiny amin'ny fifadian-kanina dia tsy ampy hampifaliana an'Andriamanitra, ary mety ho lasa fombafomba ara-pivavahana poaka aty fotsiny izany. Ambaran'ny Tompo ny karazana fifadian-kanina nofidiny: dia ilay manapatapaka ny famatoran'ny faharatsiana ary mampita ny fitiavany amin'ny mahantra sy ny ampahorina.
"Indro, fa amin'ny andro fifadianareo aza dia mbola ny tianareo ihany no ataonareo, ary ny mpiasa rehetra ao aminareo dia ampahorinareo. Indro, ny hiady sy ny hifanditra no anton'ny ifadianareo, ary ny hamely amin'ny totohondrin'ny faharatsiana… Moa fifadiana toy izany va no ankasitrahako? Dia andro hampahorian'ny olona tena?
(Isaia 58:3–5)
Ho an’ireo olona voalaza eto, ny fifadian-kanina dia anisan’ny fombam-pivavahana nekena mahazatra fotsiny, dia karazana fifadian-kanina nataon’ny Fariseo tamin’ny andron’i Jesosy. Raha tokony ho tena fibebahana na fanetren-tena, dia nanohy ny raharaha ara-pivavahana mahazatra izy ireo ary nitana toe-tsaina ratsy toy ny fanaraham-po, fitiavan-tena, avonavona, ary fampahoriana.
Ny karazana fifadian-kanina ankasitrahan'Andriamanitra kosa, dia avy amin'ny antony manosika ny fihetsika ary ny toe-tsaina:
"Dia ny hamaha ny famatoran'ny faharatsiana, sy hanaboraka ny fehin'ny zioga, sy handefa ny ampahorina ho afaka, ary hanapatapaka ny zioga rehetra?" (andininy 6)
Ny Soratra Masina sy ny traikefa dia samy manamafy fa maro ny fatorana tsy azo vahana, ny enta-mavesatra tsy azo ravana, ny zioga tsy azo tapahina, ary ny maro ampahorina izay tsy ho afaka na oviana na oviana raha tsy ny vahoakan’Andriamanitra-ary ireo mpitarika voatokana — mpankatò ny antson’Andriamanitra amin'ny fifadian-kanina marina sy ny vavaka.
I Isaia dia nanohy nilazalaza ny fomba fiheverantsika ny mahantra sy ny ampahorina:
“Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an'ny noana va, sy ny hampiantrano ny ory manjenjena, ary mba hanafianao izay hitanao mitanjaka, ka tsy hihirimbelona amin'ny namanao ianao” (andidiny7)
Ny fifadian-kanina dia tsy maintsy ampiarahina amin’ny fiantrana mahitsy ifanandrinana amin’ireo manodidina antsika — ampifanarahana, ireo izay mila ny fanampiantsika amin’ny raharaha ara-materialy sy ara-bola.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo, noho ny amin'ny ran’i Jesosy. Hankato ny antson’Andriamanitra amin’ny fifadian-kanina sy ny fivavahana aho amin’ny maha fomba nifidin’Andriamanitra hamahana ny fatorana, hanalana ny enta-mavesatra, hanafahana ny ampahorina, ary hanapahana zioga. Manambara aho fa i Satana dia tsy manana toerana ato amiko, tsy manana fahefana amiko, tsy misy fitakiana tsy voalamina manohitra ahy. Ny ran'i Jesosy dia efa nandamina ny rehetra!, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-054-MLG










