Marinana sy ara-drariny

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: 2026年11月
Read Time: 2
Maro no mihevitra ny fanamarinana ho toy ny fifampiraharahana ara-dalàna fotsiny, nefa inona marina no dikan’ny hoe hamarinina amin’ny rany? Fiovana lalina eo amin’ny toetra sy ny fiainana izany, izay mahatonga antsika ho marina amin’ny alalan’ny tena fahamarinan’i Jesosy Kristy mihitsy.
"Koa mainka aza ny hamonjeny antsika ho afaka amin’ny fahatezerana ankehitriny, rehefa nohamarinina tamin’ny rany isika." (Romana 5:9)
Isaky ny mahita ny teny hoe marina ao amin'ny Baiboly isika, dia afaka manolo ny teny hoe marina. Marina izany ao amin’ny Testamenta Taloha Hebreo sy ny Testamenta Vaovao Grika. Nampifandimbiasan’ireo mpandika ny nandika ilay teny na“marina” na “mahitsy” ao amin’ny dikan-teny King James. Niròna hampiasa ny teny hoe mahitsy eo amin’ny dingana ara-dalàna izy ireo ary ny teny hoe marina eo amin’ny sehatry ny fiainana azo ampiharina. Teny iray mitovy ihany anefa izy io.
Ny olana dia avy amin'ny fampiasana ny teny hoe nohamarinina, izay matetika natokana ho an'ny karazana fifamindrana ara-dalàna any amin'ny fitsarana any an-danitra. Fa io fomba fanao io dia midika fa tsy mampiasa afa-tsy ny an-tsasaky ny hevitry ny teny. Ny hoe nohamarinina dia midika hoe natao ho mahitsy, na ho marina. Ny teny hoe marina dia tonga hatrany amin’ny toerana misy antsika —an-tokantranon-tsika, ny toeram-piasana, na ny fifandraisantsika manokana. Mampita fotsiny ny fombafomba ara-dalàna natao tao amin'ny efitrano fitsarana lavitra. Milaza ny Soratra Masina (ary fandikana ara-dalàna sy marina tanteraka izany) fa ny ran’i Jesosy no nanao ho marina antsika. Tsy afaka mihevitra ny tenantsika ho nohamarinina isika raha tsy natao ho marina. Ny fanamarinana dia mihoatra noho ny lanonana ara-dalàna na fanovana marika. Fiovan’ny toetra sy fiainana izany, ary vokatry ny ran’i Jesosy izany. Natao ho marina tamin'ny fahamarinana isika izay tsy antsika, — dia ny fahamarinan'i Jesosy Kristy
Prayer Response
Misaotra Anao, Jehovah ô, noho ny amin'ny ran’i Jesosy. Manambara aho fa ny Rany, no nanao marina ahy tamin’ny fahamarinana izay tsy ahy. Amin’ny alalan’ny ran’i Jesosy, nohamarinina aho, natao ho marina, toy ny hoe tsy nanota mihitsy , amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

コード: WD-B097-031-MLG










