Herin'ny fanambarana 30
Isaky ny fanambarana dia misy boky voatondro lohatenin’ny toriteny.

"Ny vavaka dia tsy manam-petra. Ny balafomanga interkontinental anananay. Afaka mandefa azy izahay na aizan'aiza ary mahatratra na aizan'aiza."
Aharihary Losifera
"Fantatry ny Fanahy Masina ny lalana satria Izy no nandamina ny sarintany".
Hahazo Hery Ianao
"Avy amin'ny fo no ipoiran'ny olan'ny fiainana. Rehefa ao am-ponao ny lalàn’Andriamanitra, miaina araka ny làlany ianao."
Hahazo Hery Ianao
‘’Tsy misy izany hoe fankatoavana ampahany izany.’’
Varavarana mankany amin’ny fitahian’Andriamanitra
"Ny olona manolo-tena amin'Andriamanitra dia mijery ny zavatra rehetra araka ny Fijeriny."
Varavarana mankany amin’ny Fitahian’Andriamanitra
"Ny fahalalana dia mametraka ny fanalahidy eo an-tananao, fa ny finoana no manodina izany fanalahidy izany ary manokatra ny trano firaketan’ny haren’Andriamanitra ao amin’i Kristy.’’
Famantarana

"Mino aho fa raha misy zavatra sarotra amin’Andriamanitra, dia ny fiderana tsy tena avy ao am-po.’’
Miditra eo amin’ny Fanatrehan’Andriamanitra
"Ny mpino tsirairay dia manana endrika manokana amin'ny fahendren'Andriamanitra hanehoany izany eo amin'izao tontolo izao ary asehony izany amin'ny alalan'ny fijoroana vavolombelona."
Pejy avy amin'ny Bokin'ny Fiainako
"Araka ny lamina napetrak'Andriamanitra, ny fanambadiana dia fifanekena izay mametraka ny ain'ny andaniny ho an'ny hafa avy eo miaina fiainam-baovao ao amin'ny iray hafa."
Mpiara-miaina Mandritra ny Fiainana
"Ny vavaka hoe 'Ho tonga anie ny fanjakanao' dia midika fa fanoloran-tena hitovy amin'izay rehetra tafiditra amin'ny fiavian'ny fanjakana izany."
Famerenana ny Fiangonan’Andriamanitra
"’Ny olana fototra amin’ny maha olombelona dia ny tsy fahatakarantsika ny lanjantsika.’’
Ny fitsipika momba ny fidirana
"Aza amidy amin'ny vidiny mora ny tenanao, satria tena manome lanja lehibe anao Andriamanitra. Nampiasa ny ran’i Jesosy ho anao Izy."
Ny anton’ny fitsapana
"Tsy ratsy mihitsy ny fandrenesan'Andriamanitra. Ny fanekena sy famelana ny helotsika dia manokatra indray ny làlana mankany aminy."
Hahazo Hery Ianao

"Ny toe-tsaina mihatra amin'ny fanambadiana ao anatin'ny kolontsaina na ny fiaraha-monina dia matetika maridrefy marina mampiseho ny toetra ara-môraly sy ara-panahiny."
Andriamanitra dia mpanamboatra vady
"Ny fitandrovana, indrindra indrindra, dia fanalahidy hahazoana ny tsara indrindra avy amin’Andriamanitra.’’
Mandray ny Tsara Indrindra avy amin'Andriamanitra
"Ny lesona dia izao: mila vonona hamoaka ianao. Tsy rariny, tsy misy antony, tsy araka ny hitsiny! Ka inona? Andriamanitra no nikarakara izany. Izy no mifehy. Izany no finoana!"
Ny Fahasoavan'ny Fandefasana
"Ny fiainana Kristiana dia tsy misy hatsaram-panahy sy mozikan'ny harpa fotsiny. Ny Kristiana iray izay nanolo-tena dia hahita fa ny ady dia anisan'ny zavatra iainany rehetra."
Ady any An-danitra
"Tsy fahasoavana ny fanaratsiana ny zanakao. Matetika, amin'ny marina, izy io dia maneho fahaverezan-jo. Tsy mandany ezaka firy ny manaratsy ny zanakao raha oharina amin'ny fananarana azy."
Ny Vady sy ny Ray
"Ahoana no lalana mankany amin’ny fitsaharana? Fihainoana ny feon'Andriamanitra. Izany no mahatonga antsika hanana Kristiana maro tsy miaina am-pahatoniana. Tsy fantany ny fomba hihainoana ny feon'Andriamanitra."
Tandremo ny Tenanao (Fizarana 1)
"Ny teny fototra: famaritana. Rehefa maty Jesosy, dia maty koa aho. Rehefa nalevina Izy, dia nalevina koa aho. Rehefa nitsangana Izy, dia nitsangana koa aho. Rehefa mino izany aho, dia mandray ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra amin'ny finoana."
Fivahiniana Romanina

‘’I Jesosy no loharano ipoiran’ny fanahin’ny olombelona. Ny hoaviny any amin’ny mandrakizay dia voafaritra amin’ny alalany Izay itoerany eo anilan’i Jesosy.’’
Ny Farany amin’ny Diam-Piainana
"Misy zavatra telo tokony hataonao mba handraisana ny batisa amin'ny Fanahy Masina: mangetaheta, manatona an'i Jesosy, ary misotroa."
Hahazo Hery Ianao
"Isaky ny manao fanapahan-kevitra tsara ianao, dia manamafy fomba tsara ianao ary manorina toetra tsara."
Hahazo Hery Ianao
"Mino aho fa tena zava-dehibe ho antsika rehetra ny mahafantatra fa ny ota voalohany teto amin'izao tontolo izao dia tsy famonoana olona, na fijangajangana, fa ny avonavona."
Ady any An-danitra
"Tsy tokony ho avela hanakona antsika ny faritry ny fahamarinana izay nomen'Andriamanitra antsika fahatakarana mazava ny zavatra tsy azontsika."
Ady any An-danitra
"Tsy afaka ho an’Andriamanitra isika raha tsy vonona hanompo Azy. Tsy raisin'Andriamanitra ao an-Tranony ny olona panimba sy tia tena."
Ady any An-danitra
‘’Ny hoe milanja ny hazo fijaliantsika dia midika fanolorana sy fametrahana ny sitrapontsika.’’
Vavahady mankany amin’ny fitahian’Andriamanitra

‘’Ny fitondran-tenanao manoloana ny vola dia mampiseho ny toe-tsainao eo amin’Andriamanitra.’’
Drafitr'Andriamanitra ho an'ny Volanao
‘’Ny finoana marina ara-Baiboly dia avy ao am-po ary mamaritra ny fomba fiainantsika. Tsy hevitra ara-tsaina fotsiny, izay eritreretin’ny saina ; fa hery tena izy miasa ao am-po.’’
Finoana Entina Miaina
‘’Ny toetra nivelatra tato anatintsika amin’ity fiainana ity no hamaritra antsika any amin’ny mandrakizay. Handao ny fanomezan-tsika isika; ny toetrantsika dia ho antsika mandrakizay.’’
Finoana Entina Miaina