โลโก้ของ พันธกิจเดเร็ก ปรินซ์
บริจาค

รับหนังสืออิเล็กทรอนิกส์ (ebook) ฟรี

เริ่มสะสมหนังสือของเดอเร็ค พรินซ์ของคุณด้วย eBook ฟรีเมื่อคุณสมัครรับจดหมายข่าวของเรา.

คำสอนพระคัมภีร์ฟรี
Logo
Logo
หน้าหลักเรียนรู้ร้านค้าข่าวสารกิจกรรมเข้าถึงกลุ่มเป้าหมายเกี่ยวกับบริจาค

ลิขสิทธิ์ © 2026 พันธกิจเดเร็ก ปรินซ์. สงวนลิขสิทธิ์

ติดต่อความเป็นส่วนตัวลิขสิทธิ์ใบอนุญาตแผ่นที่เว็บไซต์
Resource TL-L147-100 | Derek Prince Ministries

Trending Resources

Featured Resources

แหล่งข้อมูลแนะนำ

แหล่งข้อมูลใหม่ที่แนะนำประจำวัน

Manomboka ao An-tranon’ Andriamanitra ny Fitsarana

Manomboka ao An-tranon’ Andriamanitra ny Fitsarana

จดหมายคำสอน

Andriamanitra miantso ny olony hiaiky amim-panetren-tena, manala ny avonavona ary manomana ny lalana ho an'ny vavaka mah

รากฐานความเชื่อ
การอธิษฐานและการอดอาหาร
รับฟังอ่าน

ภาษาที่มีให้เลือก

English
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Afrikaans
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Deutsch
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Ελληνικά
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Bahasa Indonesia
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Malagasy
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Português (pt-br)
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Русский
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Kiswahili
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
தமிழ்
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Français
ไฟล์เสียง
Español
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Tiếng Việt
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Shona
เอกสาร

แนะนำ

แหล่งช้อมูลที่กำลังเป็นที่นิยม

คำสอนยอดนิยมที่กำลังสร้างผลกระทบในปัจจุบัน

Noho ny Anjely
Ny Fitaovam-piadiantsika

Ny Fitaovam-piadiantsika

จดหมายคำสอน

Vavaka sy Soratra Masina, tarihin'ny Fanahy Masina, manomana ny lalana ho an'ny fanjakan'i Kristy amin'ny ady ara-panahy

สงครามฝ่ายวิญญาณ
รับฟังอ่าน

ภาษาที่มีให้เลือก

English
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Deutsch
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Français
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Italiano
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Malagasy
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Português (pt-br)
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Tiếng Việt
เอกสาร

กำลังเป็นที่นิยม

Mamela ny Fanahy Masina Hitarika

Mamela ny Fanahy Masina Hitarika

จดหมายคำสอน

Tsy eo ambanin’ny lalàna intsony isika rehefa tarihin’ny Fanahy Masina.

พระวิญญาณบริสุทธิ์
รับฟังอ่าน

ภาษาที่มีให้เลือก

English
วีดีโอไฟล์เสียง
Français
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Bahasa Indonesia
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Malagasy
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Português (pt-br)
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
日本語
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร

กำลังเป็นที่นิยม

พระวิญญาณบริสุทธิ์ทรงเป็นผู้ใด?
Ny Fanomezana ny Fanahy Masina

Ny Fanomezana ny Fanahy Masina

จดหมายคำสอน

Ny fanomezam-pahasoavana dia manompo ny fiangonana, fa ny fahamasinana sy ny vokatra no mampiseho ny toetran'ny mpino.

พระวิญญาณบริสุทธิ์
รับฟังอ่าน

ภาษาที่มีให้เลือก

English
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Deutsch
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Français
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Português (pt-br)
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Русский
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Malagasy
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Português
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Tiếng Việt
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร

กำลังเป็นที่นิยม

Fahalalana ny Fahatahorana ny' i Jehovah

Fahalalana ny Fahatahorana ny' i Jehovah

จดหมายคำสอน

Ny tahotra an'i Jehovah dia fanekena amim-panajana an'Andriamanitra, tsy tahotra, ary mitarika ny mpino hiala amin'ny ra

รากฐานความเชื่อ
รับฟังอ่าน

ภาษาที่มีให้เลือก

English
วีดีโอไฟล์เสียง
Deutsch
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Français
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Malagasy
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Português (pt-br)
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
한국어
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Nederlands
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร

กำลังเป็นที่นิยม

Fanahy sy Aina ary Vatana

Fanahy sy Aina ary Vatana

จดหมายคำสอน

Ny famonjena dia mamerina ny fiombonana amin'Andriamanitra. Ny mpino dia manolotra ny vatany sy ny fanahiny ho amin'ny s

รากฐานความเชื่อ
การนมัสการ
รับฟังอ่าน

ภาษาที่มีให้เลือก

English
วีดีโอไฟล์เสียง
Français
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Ελληνικά
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Malagasy
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Português (pt-br)
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
日本語
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Tiếng Việt
เอกสาร

กำลังเป็นที่นิยม

Ny Ran’ny Zanak’ondry

Ny Ran’ny Zanak’ondry

จดหมายคำสอน

Mpino mandresy ny fiampangan'i Satana amin'ny ran'i Kristy, Tenin'Andriamanitra, sy fijoroana vavolombelona.

Jesus
สงครามฝ่ายวิญญาณ
รับฟังอ่าน

ภาษาที่มีให้เลือก

English
วีดีโอไฟล์เสียง
Français
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Malagasy
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Português (pt-br)
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
日本語
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Ikinyarwanda
เอกสาร

กำลังเป็นที่นิยม

Manomboka ao An-tranon’ Andriamanitra ny Fitsarana

Manomboka ao An-tranon’ Andriamanitra ny Fitsarana

จดหมายคำสอน

Andriamanitra miantso ny olony hiaiky amim-panetren-tena, manala ny avonavona ary manomana ny lalana ho an'ny vavaka mah

รากฐานความเชื่อ
การอธิษฐานและการอดอาหาร
รับฟังอ่าน

ภาษาที่มีให้เลือก

English
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Afrikaans
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Deutsch
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Ελληνικά
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Bahasa Indonesia
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Malagasy
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Português (pt-br)
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Русский
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Kiswahili
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
தமிழ்
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Français
ไฟล์เสียง
Español
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Tiếng Việt
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Shona
เอกสาร

แนะนำ

พระวิญญาณบริสุทธิ์ทรงเป็นผู้ใด?
Ny Vokatry ny Fanahy Masina

Ny Vokatry ny Fanahy Masina

จดหมายคำสอน

Ny toetra kristiana dia mitombo tsikelikely amin'ny alalan'ny fahazotoana, fanabeazana, fitiavana, mitovy amin'i Jesosy.

พระวิญญาณบริสุทธิ์
รากฐานความเชื่อ
รับฟังอ่าน

ภาษาที่มีให้เลือก

English
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Deutsch
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Malagasy
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Français
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Português (pt-br)
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Русский
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
हिन्दी
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Tiếng Việt
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Our Value, Our Worth
Fantatrao ve ny Maha Sarobidy Anao?

Fantatrao ve ny Maha Sarobidy Anao?

จดหมายคำสอน

Ny sorona sarobidin'i Kristy mampiseho ny lanjan'ny fanahy sy mampitandrina tsy hanakalo ny lovan'Andriamanitra.

Jesus
รากฐานความเชื่อ
รับฟังอ่าน

ภาษาที่มีให้เลือก

English
วีดีโอไฟล์เสียง
Malagasy
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Français
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Português (pt-br)
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Español
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
ខ្មែរ
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Nederlands
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Norsk
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Fotoana Fanapahan-kevitra
Ny Toetran'ny Zanak'ondry

Ny Toetran'ny Zanak'ondry

จดหมายคำสอน

Ny Zanak'ondrin'Andriamanitra tsy nanan-keloka nitondra ny fahotan'ny olombelona, naneho fahalemem-panahy sy fiadanana.

ยุคสุดท้าย
Jesus
รับฟังอ่าน

ภาษาที่มีให้เลือก

English
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Italiano
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Português (pt-br)
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Português
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Malagasy
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
Tiếng Việt
วีดีโอไฟล์เสียงเอกสาร
ខ្មែរ
เอกสาร
Français
เอกสาร
Ny Toetran'ny Bibidia
หน้าแรก
แหล่งข้อมูล
Fotoana Fanapahan-kevitra
Ny Toetran'ny Bibidia

Ny Toetran'ny Bibidia

Derek Prince

Derek Prince

ดาวน์โหลด

Published: 2022

Last Updated: กันยายน 2026

Read Time: 8

ยุคสุดท้าย
สงครามฝ่ายวิญญาณ

This teaching is not currently available in ไทย.

Ny Antikristy dia manohitra an'i Jesosy Kristy amin'ny fandavana ny fahamarinana sy fanolorana solon-javatra sandoka. Ny Soratra Masina dia mamantatra ny mariky ny fanahy toy izany, anisan'izany ny fandavana ny Ray sy ny Zanaka ary ny fandavana ny fiekem-pinoana fa tonga tamin'ny nofo i Jesosy. Ny fitiavana mafy ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra no fiarovana voalohany amin'ny fitaka.

Raha vao nanomboka nampianatra momba ny ady ara-panahy aho tamin’ny faramparan’ireo taona 60 sy 70 tany ho any, dia Kristiana maro no nisalasala. “Tena ratsy izany. Be loatra ny fiheverana ny devoly. Nahoana no tsy afaka miresaka momba an’i Jesosy fotsiny isika?”

Tsy kivy noho ireo fanoherana ireo aho, dia nanohy nampianatra momba ny fanambaran'Andriamanitra manontolo momba ny andro farany, anisan'izany ireo hafatra avy amin'ny Tenin'Andriamanitra momba ny Antikristy sy ny fanahin'ny Antikristy. Mino aho fa ny kristiana izay tsy miraharaha ny fananaran’ny Baiboly momba io lohahevitra io dia tena atahorana ho voafatotry ny fitaka.

Akaiky Noho Izay Heverintsika

Tsy te hifantoka amin'ny devoly mihitsy isika. Rehefa manakaiky kokoa an’io fifanandrinana farany eo amin’i Kristy sy ny Antikristy io anefa isika, dia ilaintsika ny mahafantatra izay toherintsika. Mba hahazoana feno tanteraka ny voninahitra sy ny herin’ny Zanak’ondrin’Andria manitra, dia i Jesosy Kristy, dia ilaina ny manomboka amin’ny fijerena Azy—sy antsika—mpanohitra lehibe: dia i Satana. Izany no zava kendren’ity andiana Taratasy Fampianarana misy fizarana telo ity, “Fotoan’ny Fanapahan-kevitra.” Ao amin’ireo taratasy ireo, nalaina tao amin’ilay boky vao nivoaka, Ny Bibidia na Zanak’ondry, dia handinika ny fifanoheran’ny Baiboly eo amin’ny toetran’ny Bibidia (Satana sy ny Antikristy) sy ny toetran’ny Zanak’ondry (Jesosy Kristy).

Ny Mifanohitra Amin'ny Toetra

Ny Bibidia sy ny Zanak'ondry araka ny nolazaina ara-Tsoratra Masina dia manana toetra mifanohitra tanteraka. Ny Bibidia dia Fetsy, mamitaka, miavonavona, mieboebo, masiaka, mpamitaka, mamono olona, manjakazaka, ary manjakazaka. Ny Zanak’ondry kosa, dia marina, tia fihavanana, manetry tena, malemy fanahy, madio, mahery, tsotra, ary mahafoy tena.

Na dia i Jesosy Kristy aza no tena Zanak'ondrin'Andriamanitra, ny Baiboly dia milaza amintsika fa Satana no singa ao ambadiky ny Bibidia. Ny ady amin'ny andro farany dia hanana ireto lafiny roa mifanohitra ireto: Kristy hanohitra ny Antikristy, ny Zanak'ondry hanohitra ny Bibidia, ny Fahamarinana hanohitra ny lainga.

Amin'ny andro sarotra ho avy, dia hamboly ny toetran'ny Zanak'ondry isika, na ny toetran'ny Bibidia. Inona no toetra hofidinao? Izao no fotoana hanapahana hevitra.

Iza No Antikristy?

Mba hanampiana antsika hamantatra ny fanahy miasa eto amin’izao tontolo izao ankehitriny, dia andeha isika hanomboka amin’ny fandinihana ny teny hoe antikristy. Ny teny hoe Kristy dia nalaina avy amin’ny teny grika hoe Christos, izay mifandray amin’ny teny hebreo hoe Meshiach, na amin’ny teny Anglisy, hoe Messiah (“Ilay Voahosotra”). Jesosy Kristy dia Jesosy ilay Mesia. Anarana iombonana amin'ny dikany roa — manohitra sy amin’ny toerana. Noho izany, ny antikristy dia ny anti-Mesia, izay manohitra an’i Kristy marina mba hanesorana Azy amin’ny làlany sy hanoloana Azy amin’ny Kristy sandoka.

Ao amin'ny 1 Jaona 2:18, ny apostoly Jaona dia miresaka momba ny fanatrehan'ny Antikristy amin'ny andro farany:

“Rankizy, izao no ora farany; ary tahaka ny efa renareo fa ho avy ny Antikristy, sady maro no antikristy efa tonga sahady.”

Tohizantsika vakina izany ao amin’ny 1 Jaona 4-3:

“Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin’ny nofo Jesosy Kristy no avy amin’Andriamanitra, ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an’i Jesosy dia tsy mba avy amin’ Andria - manitra. Ary izany no fanahin’ny Antikristy, izay efa renareo fa ho avy, sady efa eo amin’izao tontolo izao sahady izy.”

Ao anatin'ireo teny roa ireo, dia hitantsika amin’ny endrika telo ny hoe “antikristy”: antikristy maro (maromaro), ny Antikristy (tokana), ary ny fanahin'ny Antikristy. Ity fahamarinana farany ity dia tena zava-dehibe: Ny antikristy rehetra dia fehezin'ny fanahin'ny Antikristy.

Rehefa miezaka mamantatra ny fanahy ao ambadiky ny olona iray, na toe-javatra iray, na fihetsika iray, dia manontany tena ireto fanontaniana telo ireto:

  1. Miresaka momba ny fanahin'ny Antikristy ve izany?
  2. Iray amin'ireo antikristy maro ve izany?
  3. Antikristy ve izany?

Nandritra ny tantara, dia nisy antikristy maro. Kanefa, misy iray antsoina hoe Antikristy. Izy no fanehoana faratampony ny fanahin’ny Antikristy. Mety hiteny araka ny lojika isika fa efa akaiky tokoa ny fiaviany ka efa nilatsaka teo amin’ny sehatry ny tantara ny alokalony.

Marika Efatran'ny Antikristy

Ny Marika Voalohany - Miala Tamintsika

Izany no vakintsika ao amin'ny 1 Jaona 2:19: [Maro ny antikristy] Avy tamintsika ihany no niala ireo, nefa tsy mba namantsika izy; fa raha tahiny namantsika izy, dia ho nitoetra tamintsika ihany; fa efa niala izy, mba haseho fa tsy isantsika izy rehetra.” Ny fanahin'ny Antikristy dia manomboka miaraka amin'ny fikambanan’ny olon'Andriamanitra, fa ireo izay mifikitra amin'ny Antikristy dia tsy mijanona amin'ny Kristiana. Niala tamin’ny Kristianisma izy ireo.

Ny Marika Faharoa - Mandà ny Fifandraisan'ny Ray-Zanaka

Tohizana amin’ny 1 Jaona 2:22 hoe: “Iza no mpandainga, afa-tsy ilay mandà an’i Jesosy tsy ho Kristy? Izy no antikristy dia izay mandà ny Ray sy ny Zanaka”. Ity marika faharoa ity dia tena misongadina ao amin'ny finoana silamo, iray amin'ireo hery manohitra ny kristiana matanjaka indrindra eran-tany. Eo amin’ny kibon’ny moske lehiben’i Omar, izay mijoro eo amin’ny toerana misy ny tempolin’i Jerosalema, dia misy soratra izay milaza indroa ireo teny ireo hoe: “Tsy mila zanaka Andriamanitra.”

Ny Marika Fahatelo - Mandà fa Tonga tao amin'ny Nofo Jesosy

1 Jaona 4:2 dia milaza hoe, "Izao no ahafantaranareo ny Fanahin'Andriamanitra: Ny fanahy rehetra izay manaiky fa efa tonga tamin'ny nofo Jesosy Kristy no avy amin'Andriamanitra." Ny fanahin'ny Antikristy dia mandà fa tonga tamin'ny nofo Jesosy. Tsy hanamafy izany fa tonga tamin’ny maha olona nofo aman-dra ny Mesia.

Ny Marika Faha Efatra - Tsy Manaiky an'i Jesosy Izany

Tohiny ny 1 Jaona 4:3: “Ary ny fanahy rehetra izay tsy manaiky an’i Jesosy dia tsy mba avy amin’Andriamanitra. Ary izany no fanahin’ny Antikristy, izay efa renareo fa ho avy, sady efa eo amin’izao tontolo izao sahady izy." Tsy azo lavina, fa afaka milaza isika fa ny fanahy izay tsy manaiky izay lazain’ny Baiboly momba an’i Jesosy dia antikristy.

Ny Fisehoana Voalohany

Ny Baiboly dia mirakitra ny fotoana voalohany nisehoan'ny fanahin'ny Antikristy. Ao amin’ny Matio 27:21-22 , Jesosy dia nitsangana teo anatrehan’i Pilato sy ireo mpiampanga azy, dia ireo mpitondra fivavahana jiosy. Nikasa hanafaka voafonja iray i Pilato, dia i Jesosy na i Barabasy. Iza no hofidin’izy ireo ?

Ny governora namaly ka nanao taminy hoe: “Iza moa amin'izy roa lahy no tianareo halefako ho anareo?” Dia hoy ireo: “Barabasy!” Ary hoy Pilato taminy: “Ka ahoana kosa ary no hataoko amin'i Jesosy, Izay atao hoe Kristy?” Dia hoy izy rehetra: “Aoka hohomboana amin'ny hazo fijaliana Izy!”

Mazava ho azy, fa fandavana an'i Jesosy izany ary fifantenana olon kafa ho eo amin'ny Toerany. I Barabasy dia gadra politika nahery setra — mpamono olona fantatra. Jesosy kosa, tsy mbola nanisy ratsy na iza na iza. Tsy nanao afa-tsy ny soa ihany Izy. Nanasitrana olona tsy tambo isaina Izy (mety ho tao anatin’ny vahoaka ny sasany) ary nitondra fiadanana sy fitiavana ho an’ny vahoaka maro be.

Ity safidy tsy nampoizina nataon'ny vahoaka ity dia iray amin'ireo zava-misy mahagaga indrindra teo amin'ny tantaran'ny olombelona. Nahoana ny Jiosy no nanao izany fahadisoana mahatsiravina izany? Mino aho fa, tsy takatry ny saina izany, dia resin’ny fanahy iray — ny fanahin’ny Antikristin’izy ireo.

Aoka isika tsy hanondro azy ireo amin'ny rantsantanana. Rehefa tonga ny fotoana hanaovantsika safidy toy izany—mba handraisantsika fanapahan-kevitra faratampony—dia tokony hitandrina tsara isika mba tsy hanaovan’ny tenantsika fahadisoana tahaka izany. Nisy hery ara panahy nanenika an’io vahoaka io — ary nanova azy ireo. Saika very saina noho ny hatezerana tsy misy antony marim-pototra izy ireo. Mino aho fa io no fotoana nisehoan'ny fanahin'ny Antikristy voalohany

Efa nampitandrina ny Jiosy momba izany i Jesosy rehefa niady hevitra momba ny filazany ny Tenany ho Mesia izy ireo:

“Izaho dia avy amin’ny anaran’ny Raiko, nefa tsy raisinareo; raha misy hafa avy amin’ny anarany, dia horaisinareo ihany izy”. ( Jaona 5:43 )

Mino aho fa ity fampitandremana avy amin'i Jesosy ity dia fanehoana mialohan’ny izay hitranga eto amin'izao tontolo izao. Andriamanitra dia hifanatrika amin’ny taranak’olombelona amin’ny safidy: “I Jesosy va no tianao? Sa mila olon-kafa ianao?” Ny hery ara-panahy izay nanenika ny vahoaka tamin’ny andron’i Jesosy ihany no hahatonga ny ankamaroan’ny olona hanambara hoe, “Esory Jesosy! Hifidy isika...” Na iza na iza hofidiny dia ho ratsy lavitra noho i Barabasy.

Inona no Tokony Ataontsika?

Ny fahamarinana aseho amin'ity taratasy ity dia sarotra. Fa isika rehetra dia mila mandray maika io toromarika io. Tsy tokony hihevitra isika fa tsy ho voafitaka mihitsy.

Inona no fiarovana voalohany ataontsika manoloana izany fitaka izany? Ny fitazonana ny fanoloran-tena feno hafanam-po ho an’ny fahamarinan’Andriamanitra ambonin’ny zavatra rehetra eo amin’ny fiainantsika. Miara, mivavaka ho amin’izany isika izao.

Prayer Response

Jesosy Tompo ô, misaotra Anao aho fa, noho ny Fitiavanao ahy, dia Nentinao teo amin'ny fiainako io fampianarana tena manan-danja io. amim-panetren-tena aho, Tompo ô, mba hitomboan’ny fitiavako sy ny faniriako ny Teninao. Manambara aho fa ny Teninao no fahamarinana miaro ahy amin’ny fitaka. Ampio aho tsy hifidy na inona na inona afa tsy Ianao, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Ad Image

ดาวน์โหลดฟรี

จดหมายคำสอนฉบับนี้สามารถดาวน์โหลด พิมพ์ และแบ่งปันเพื่อใช้ส่วนตัวหรือใช้ในคริสตจักรได้

ดาวน์โหลด PDF

รหัส: TL-L147-100-MLG

ของขวัญ
ให้