Novidina tamin'ny Vidiny

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Isika rehetra dia efa namidy ho andevo tao amin'ny tsenan'i Satana taloha, tsy nanan-kery teo ambany fahefan'ny ota. Kanefa niditra tao amin'izany tsena izany i Jesoa Kristy ary nandoa ny vidiny lehibe indrindra tamin'ny alalan'ny rany sarobidy mba hanavotana antsika, ka namindra antsika hiala amin'ny fanjakan'ny maizina ho ao amin'ny Fanjakan'Andriamanitra.
Ny teny hoe fanavotana dia midika hoe “mividy indray”. Andevo isika, naseho hamidy tao amin’ny tsenan’ny andevon’i Satana. Hoy ny apostoly Paoly: “Fa izaho kosa nofo, namidy ho andevon’ny ota.” (Romana 7:14). Tamin’ny kolontsaina Romana tamin’ny androny, ny mivarotra olona ho andevo dia nivarotra azy ambanin’ny lefona. Nijoro teo ambony vatolampy izy ary nisy lefona nitsotra teo ambonin’ny lohany. Rehefa mahita azy mijoro toy izany ianao, dia fantatrao fa namidy ho andevo izy.
Ary hoy Paoly tamin'izany teny izany: ‘’Ny fahotako dia ny lefona eo ambonin'ny lohako, izay nahatonga ahy namidy ho andevo teny an-tsenan’andevo.’’ Ary teo koa isika — isika rehetra, niara-namidy tamin’i Paoly ho andevo noho ny fahotantsika.
Indray andro anefa, dia niditra tao an-tsena Jesosy ka nanao hoe: "Hividy azy aho." Inona ny sarany? Ny ran’i Jesosy. Novidina hiala tamin’ny fanjakan’i Satana isika ka nentina ho ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.
Ny andevo dia tsy manan-tsafidy momba ny karazana asa na hataony ho an'ny tompony. Ny andevo iray dia mety ho mpahandro, ny iray hafa mpivaro-tena, izany no fanapahan-kevitry ny tompony. Toy izany koa isika. Mety ho andevo mendri-kaja ny sasany, nefa tsy tsara kokoa noho ireo tsy nohajaina loatra. Aza manao tsinontsinona ny mpivaro-tena na ny mpisotro toaka, fa ny fanapahan-kevitry ny tompony no nahatonga azy ireo ho toy izany. Nanapa-kevitra i Satana hoe ho toy inona izy ireo, nefa ny ran’i Jesosy no manapaka ny fatorany sy manafaka azy ireo tamin’ny teti-dratsin’ny devoly.

Free Download
This devotional is available to download, print and share for personal or church use.
Download PDFCode: WD-B097-012-MLG










